Tapitra ny 5 febroary misasakalina teo ny fe-potoana niasan`ireo solombavambahoaka.
Maherin` ny 20 isa ireo depiote no efa naka ireo entana sy niala sy nanome ny hidin-trano any amin`ny tompon’andraikitry ny fampitaovana eo anivon`ny Antenimieram-pirenena. Amin`ny ankapobeny, ireo depiote lavitra sy saron-dalana no misitraka ireo trano ao amin`ny lapa. Herinandro ny fe-potoana farany hahafahan’izy ireo mipetraka eny an-toerana ary tokony hisy ny fanaterana fanalahidy ho an`ireo depiote. Eo ihany koa ny fangoronana entana isaky ny birao eny an-toerana. Misy kosa anefa ny fandaminana fa rehefa mivoaka ny naoty avy amin`ny sekretera jeneraly dia tsy maintsy misy ny fetra hijanonany ao. Misy kosa ireo depiote no mitaraina amin`ny haratsin`ny fotodrafitrasa. Miaina amin`ny zavatra tsy tokony ho izy ny depiote satria tery ny efitra, ratsy ny trano, antitra ny fotodrafitrasa ka mila fanamboarana. Tsy misy mpijery ny trano natokana ho an`ireo depiote sady tsy manaraka ny fenitra. Miisa 115 no mahazo trano amin` ireo depiote 151 ary mandefitra ny eto Antananarivo sy ny manodidina kanefa mbola misy ihany ireo solombavambahoaka avy amin`ny faritra no tsy misitraka izany. Raha ny eo amin`ny tokotany indray dia zara lasa fitobiana fiara na koa fanamboarana fiara fotsiny. Marihana fa efa tapitra ity ny dimy taona nilazana fa hisy fanitarana eo amin`ny “ cafetaria”saingy tsy mbola nanomboka ny asa. Mila mandray fepetra ny tompon’andraikitra fa tsy mendrika ho andrim-panjakana ny eny Tsimbazaza.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.