Misy lalàna mifehy ny fifidianana, hoy ny loholona Amido, ary io no lehibe indrindra isorohana ny zava-mitranga. Be tokoa, hoy ity loholon’Antsiranana ity, ny zava-nitranga tao ho ao.
Isan’ireny ireo endrika fitsaram-bahoaka, ny hetsik’ireo kandida ho filoham-pirenena miisa 25 sy ny hafa maro saingy ny fehiny dia miroso amin’ny fifidianana isika. Raha ny voalazan’ny lalàna dia maro ireo endri-java-miseho antony tsy maintsy hanemorana fifidianana toy ny hoe fahafatesana kandida, valanaretina mipariaka, ny loza voajanahary saingy hatreto aloha dia tsy anatin’izay tranga tsy azo hanoharana mialoha ny fifidianana isika. Mbola misy tomponandraiki-panjakana koa eto afaka manapaka ny tokony hatao. Izany resaka fitsaram-bahoaka izany, hoy izy, tsy vao androany ary vokatry ny tsy fanarahan-dalàna nataontsika ihany. Tomponandraikitra amin’izany ny vahoaka fa tomponandraikitra voalohany ny mpanao politika. Nosinganin’ity loholona ity manokana moa ireo mpanongam-panjakana sy mpandrangitra adim-poko. Soa, hoy izy, fa Hendry ny gasy ka tsy nety ho voasarik’izany adim-poko izany.
J. Mirija
Legend: Ny loholona Amido
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.