Politique

Tranga hafahafa mikasika ny fanomanana ny fifidianana Efa nanomboka tany amin’ny fanisana mpifidy


  • Alarobia 26 Desambra 2018

Tamin'ny fanisan'ny CENI ny mpifidy dia efa hafahafa satria nitombo 1 tapitrisa ny isan'ny mpifidy ary tany amin'ny faritra Atsimo no tena nitombo betsaka. Ity faritra atsimon'ny Nosy ity anefa no efa fantatra mialoha fa ho maro mpifidy ny kandidà 13.

 

 

Efa hatrany ilay paipaika raha ny fanadihadiana navoakana sampandraharaha iray mikasika ireo tsy fahatomombanana nandritr’izao fifidianana filoham-pirenena izao. Efa namoaka didy ny HCC fa “Magistrat” no mitarika ny fitsarana nefa tsy nohajain'ny minisiteran'ny atitany io didy io satria maro ireo sefo distrika no nanao io asa io. Ao raha, hoy hatrany ny famakafakana. Sefo Distrika nijoro vavolombelona fa nahazo baiko tamin'ny minisiteran'ny Atitany hampiasa ireo sefo fokontany hampandany ny kandidà laharana faha-13. Tsy nofafan'ny CENI tao anaty lisi-pifidianana ny anaran'ireo maty sy verin-droa na “doublon”. Misy olona mandatsa-bato amin'ny anaran'ny olon-kafa ao anaty lisi-pifidianana. Ny “doublon” kosa dia ahafahan'ny mpifidy iray mifidy in-droa amin'ny birao fandatsaham-bato 2 samy hafa (mora vonoina mantsy ilay ranomainty amin'ny ankihibe ary manara-tanana raha vao mando). Satria efa ny 15 aprily 2018 no nofaranana ny lisi-pifidianana dia azon'ny CENI natao ny nanonta ireo kara-pifidianana raha vao nivoaka ny volana jona 2018 ilay didim-panjakana mampiantso ny mpifidy hifidy ary dia nozaraina ny volana septambra 2018 ireo karatra. Naleon'ny CENI anefa ho herinandro mialoha ny 7 novambra vao nozaraina. Vokany, betsaka no tsy nahazo ary nalaina haka ny azy ireo mpifidy izay lasa kamo nifidy. Nisy ihany fizarana karatra nataon'ny fokontany saingy maro ireo tokantrano fantatra fa hifidy kandidà iray no tsy nanaterana kara-pifidianana. Marobe ny tsy nisy naka saingy tsy nisy ezaka nataon'ny fokontany izay sampandraharaham-panjakana eo anivon'ny minisiteran'ny atitany mba hizarana izany. Voalaza fa namidin'ny sefo fokontany sasany tamin'olona ireo karatra mba ahafahany mifidy. Fanahy iniana nasiana ireny “Feutre” ireny tany amin'ny biraom-pifidianana sasany. Iza no niala vola nividy ireny ? Bileta tokana miisa 12 tapitrisa no natontan'ny CENI raha toa ka 9 tapitrisa ny isan'ny mpifidy. Natao inona ireo bileta 3 tapitrisa ambiny, indrindra fa fantatra tsara fa tsy ho ny 100%-n'ny mpifidy no handatsa-bato ? Nandritry ny fampielezan-kevitra dia hitan'ny rehetra ny olona mitondra basy manohana ny kandidà laharana faha-13 ary maro ny hetraketraka nataon'ny mpanohana io kandidà io tamin'ny kandidà Ravalomanana toy ny tao Sambava. Hisy sazy havoakan'ny CENI sy ny HCC ve ? Momba ny mpanao tsapan-kevitra na “sondage” amin'ireo mpifidy avy nandatsa-bato dia nilaza ny CENI talohan'ny fihodinana voalohany fa nahazo alalana izy ireny nefa rehefa tonga ny tapak'andron'ny 7 novambra dia nofoanana. Mahagaga anefa fa mbola nisy ihany ny “sondage” tamin'ny 19 desambra ary naparitaky ny haino aman-jery ny vokany ny atoandron'io. Inoana fa nisy fiantraikany an-kolaka amin'ny sain'ny mpifidy ny tolakandron'ny 19 desambya 2018 ny vokatr'izany. Nisy “carnet bulletin unique” very, nisy bileta tokana efa voamarika mialoha na “précoché”. Nisy vata fandatsaham-bato efa misy bileta tokana talohan'ny fisokafan'ny fandatsaham-bato. Misy firaketana an-tsoratra efa feno talohan'ny fiafaran'ny fandatsaham-bato. Misy aza vokatra avy amin'ny birao fandatsaham-bato no nahazo 100% ny kandidà iray. Niniana natao ho ny faritra izay hifidy maro ny kandidà iray no nahatonga voalohany ny vokatra tao amin'ny CENI ny alin'ny alarobia 19 desambra. Na dia maro aza ny manatitra vokatra tao amin'ny SRMV Antananarivo Renivohitra dia azon'ny CENI natao tsara ny nanampy olona iray isaky ny SRMV ny boriborintany mba hanao fitiliana na “scan” fotsiny ny firaketana an-tsoratra na P.V voarain'ny SRMV ka ho isan'ny nahatonga voalohany ny voka-pifidianana teny amin'ny CENI ny teto Antananarivo Renivohitra ny harivan'ny 19 desambra 2018 saingy tsy nisy. Ny Filoha lefitry ny Sendikan'ny Mpitsara dia nanao fanambarana fa misy taratasy momba ny voka-pifidianana no efa misokatra mialoha alohan'ny nahatongavany teny amin'ny SRMV. Ny tompon’andraikitra tao amin'ny Banky foiben'i Madagasikara dia efa nanao fanambarana talohan'ny 7 novambra fa mety hisy fiantraikany hampiakatra ny vidin'entana ny fitobahan'ny volabe amin'ny fampielezankevitra. Midika izany fa misy volabe nitobaka teto Madagasikara mandritry ny fifidianana. Dia hilaza ve ny SAMFIN fa tsy mahalala ny fomba nidiran'ireo volabe ireo teto Madagasikara ? Ny tsikaritra aloha dia ravim-bola 20 000 Ariary vaovao maro no azo raha maka vola amin'ny banky izay midika fa misy ny fanamboarana vola tato anatin'ny fotoan'ny fifidianana, hoy hatrany ity fanadihadiana ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT