Politique

Traikefan-dRavalomanana Ilaina amin’ny fanarenana ny firenena


  • Zoma 02 Oktobra 2015

Tsy misy andro iray ka tsy handrenesana resaka momba an’i Marc Ravalomanana ao anaty filazam-baovao, na amin’ny gazety na ao anatin’ny adihevitra politika etsy sy eroa ;mihetsiketsika rahateo ity filoha teo aloha ity ka izay no mahatonga azy misongadina eo amin’ny tontolo politika

 

.Tsy hiadian-kevitra intsony fa anisan’ny olona manana ny maha izy azy eto Madagasikara i Marc Ravalomanana ary izy angamba no mpitondra Malagasy malaza sy be mpahafantatra indrindra maneran-tany ;tsy tongatonga foana izany fa vokatry ny asa goavana nataony fony izy mpitantana orinasa sy nandritra ny naha ben’ny tanàna sy filoham-pirenena azy.Nokorontanina izy,tafiala teo amin’ny fitondrana,tsy nahakivy azy anefa izany fa vao miha nampiredareda ny afon’ny fitiavan-tanindrazana tao am-pony ka tsy nanekeny raha tsy tafaverina teo Madagasikara izy na dia efa maro mpitady tany ivelany tany aza.Maro ny mpitondra nifandimby sy mpanao politika eto amintsika saingy tena hafa kely raha i Marc Ravalomanana, ary mibaribary be ny fananany paikady mahomby kokoa noho ny hafa eo amin’ny fampandrosoana ny firenena.Nalaza tato ho ato fa anisan’ireo kandida ho filohan’ny antenimieran-doholona i Marc Ravalomanana, efa re ihany koa fa mety ho lasa praiminisitra izy ary ireo mpanara-dia azy dia manam-pinoana fa tsy maintsy mbola hiverina ho filoham-pirenena izy.Tsy misy mahalala izay ho avoaky ny ampitso,ary samy manana ny vinavinany koa io fa ny tsapa fotsiny aloha dia mahafeno ny fepetra ho tompon’andraikim-panjakana ambony i Marc Ravalomanana ary efa io iaraha-mahita io ny fahaizany miresaka sy mifampiraharaha na amin’ny any ivelany na amin’ny eto an-toerana ary izy dia afaka miresaka amin’ny rehetra fa tsy hoe ny TIM ihany.Ny tsy azo adinoina ihany koa dia manana fitokisana goavana aminy ny sehatra iraisam-pirenena sy ireo mpamatsy vola amin’ny ankapobeny, tsy azo ihodivirana amin’ny fanarenana ny firenena noho izany i Marc Ravalomanana ary tena adalana miharo tsinjaka ny fanilihana azy satria hatreto aloha dia any aminy ny lakile e !


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT