Mipoitra tsikelikely ireo raharaha maizina mahavoasaringotra solombavambahoaka. Raha tsy mbola mivalona ny fanadihadiana mikasika omby sy basy tsy mazava ara-taratasy tany Ankazoabo Atsimo, mbola andrasana ny marina manodidina ny nahafatesan’ny kapiteny Falihery tany Betroka, dia misy trafikana basy mahavoatonontonona anarana depiote iray voafidy avy amin’iny Faritra Anosy iny indray koa amin’izao.
Tany Toliara no nisehoany, roa volana lasa teo izay, saingy izao fa vaky ambatolampy ny raharaha rehefa saika hosarontsaronana tany. Tamina kaontenera miisa folo be izao no nahitana ireo basy, izay nokasaina hampidirina an-tsokosoko saingy tsikaritry ny mpiasan’ny ladoany ary nanaovana fitanana an-tsoratra, noho ny tsy fisian’ny taratasy mazava mikasika azy ireo. PPN no tamin’ny fanambarana entana. Teo no niditra an-tsehatra ilay depiote, miseho ho tompon’ny entana sady mitratrevatreva. Tsy vitan’izay fa nanao tsindry bokotra ny hampakarana «conseil de discipline» ilay mpiasan’ny ladoany tsy nanao afa-tsy nanatanteraka ny asany ka nahita ireo basy tsy mazava ireo. Raha ny heno aza dia manao izay fomba rehetra hanesorana amin’ny asany io mpiasan’ny ladoany io ingahy depiote. Fihetsika toa mampahatsiahy ny tranga tao Betroka, ka namindrana toerana ireo zandary niara-niasa tamin’ny kapiteny Falihery taorian’ny namonoan’ny sasany an’ity farany. Raharaha roa samihafa ireo, nefa toa mitovitovy fiseho raha tsy hoe : olona iray ihany no ao ambadika. Manomboka mitaraina ny avy eo anivon’ny Sendikan’ny mpiasan’ny ladoany manoloana ny teritery mianjady amin’izy ireo. Miandry moa ny maro, inona no ho fandraisan’andraikitra hataon’ny Fanjakana manoloana ny trangan-javatra toy itony, indrindra amin’izao fihetsiketsehana be handrafetana paikady nasionaly hametrahana fandriampahalemana izao. Raha izao no mitohy, sarotra ny hino fa hilamina ity Madagasikara ity ary tsy hisy olona hatoky Fanjakana izany intsony eto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.