Nanovokovoka mafy ny minisitry ny tontolo iainana sy ny ala ary ny haivoary, Ramparany Anthelme, omaly, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety notarihin’ny praiminisitra teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo.
Nambarany tamin’ny teny mahitsy sy nivantambatana fa «toy ny varotra anana» ny trafikana andramena nandritra ny tetezamita. Nipirimpirina na «nitsoaka any ivelany» ireo mpanao trafika rehefa nijoro ny governemanta vaovao, hoy ihany izy. Na tiana na tsy tiana dia voakasik’io ampamoaka nataon-dRamparany Anthelme io ny jeneraly Raveloharison, minisitry ny toekarena sy ny teti-pivoarana ao anatin’ny governemanta Kolo Roger miaraka aminy, izay efa minisitry ny tontolo iainana tao anatin’ny tetezamita. Hatao fanadihadiana ihany koa ve izany ity farany ? Ramparany Anthelme ihany koa dia efa tompon’andraikitra tamin’ny andron’ny tetezamita satria mpikambana tao amin’ny Kongresin’ny tetezamita izy. Kibokioin’ny marina izy sa inona no tiany holazaina ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.