Sady mampanantena hanampy ireo traboina sy hanarina maika ireo fotodrafitrasa simban’ny ranobe, no te hanao fifidianana Ben’ny tanŕna amin’ny 17 jolay 2015 ny fanjakana HVM. Nanao fanambarana ny praiminisitra Ravelonarivo Jean fa hamoaka vola 5 miliara Ariary ny
fanjakana ho an’ny traboina. Ny filohan’ny Repoblika no nanampy fanazavana fa hatolotra ny Bngrc hividianana sakafo hozaraina amin’ireo traboina sy hanarenana ireo fotodrafitrasa io vola io. Ny alatsinainy lasa teo indray ny minisitry ny Atitany, Mahafaly Solonandrasana dia efa nanatsidika fa hisy fivoriana tsy ara-potoanan’ny solombavambahoaka ato ho ato handinika ny volavolan-dalàna vaovao vao harafitra, hifehy ireo Kaominina manana sata manokana, dia Antananarivo Renivohitra, Nosy-Be ary Sainte Marie, hanenjehana fifidianana. Raha ny voafaritry ny lalàmpanorenana dia 12 andro eo no faharetan’ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Antenimiera raha lalàna tsotra no dinihina, ary 15 andro izany raha lalàna fehizoro. Amin’ny ankapobeny dia andaniana 700 tapitrisa Ariary eo ny fanatanterahana fivoriana tsy ara-potoana eny Tsimbazaza, tsy resahina ny vola holaniana amin’ny fanatanterahana ny dinika fampihavanam-pirenena any amin’ny Faritra, iarahana amin’ny FFKM. Mipetraka eto ny fanontaniana hoe : inona no maika, inona no laharampahamehana ary inona no zava-dehibe amin’ity fitondrana ity manoloana izao toe-javatra izao ? Ny vahoaka aloha dia efa kivy aminy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.