Nilamina ary tontosa antsakany sy andavany ny sabotsy teo teny amin’ny kianja sekoly Paul Minault Androhibe ireo lalao famaranana ny fifaninanana “Tounoi Fampiraisana 2015 Tsarahonenana” izay nokarakarain’ny sampana fanatanjahantena ao amin’ny Flm Tsarahonenana.
Tompon-dakan’ny baolina kitra an’olona 9 natao tamin’izany ny ekipan’ny Flm Tsarahonenana mpikarakara raha nandresy ny Ecar Analamahitsy tamin’ny 1-0. Nibata fandresena avy kosa teo amin’ny taranja basikety ny ekipa lehilahin’ny Ecar Analamahitsy nandavo ny Flm 67 ha 78-64 ary ny ekipa vehivavin’ny Flm Ambohimanambola nandresy ny Flm 67 ha tamin’ny moka fohy 45-44. Marihana fa samy nibata ny ondry iray tsirairay avy natao amboara izy ireo. Ny ekipan’ny Flm 67 nandresy ny Ecar Analamahitsy kosa no nibata ny fandresena teo amin’ny lalao tsipy kanetibe ka nahazo ireo gana 3 sy ny medaly.
Ntsoavina Evariste
Sary : Farasoa kapitenin’ny Flm Ambohimanambola nandray ny amboara
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.