Azo ambara fa vaky ny eny ambany tanàna ankehitriny . Resy lahatra indray mantsy fa hanohana ny kandidà n°25 i Norbert Favoris “Norbert Arnès Razafimbelo” izay fantatry ny depiote Rossy tsara fa samy nanohana ny kandidà n° 13 izy ireo tamin’ny fihodinana voalohany.
Ny naharesy lahatra ahy, hoy ity filohan’ny fileovana rugby AFA Ankazomanga ity, dia ny resaka praograman’ny K25 hametraka tanteraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy sy ny fandalana ny fahamarinana voiziny ary ny resaka fampihavanam-pirenena hirosoany. Efa tazana niaraka tamin’i Neny Ravalomanana nanao fampielezan-kevitra ho an’ny kandidà n°25 teny amin’ny boriborintany faha-6 mihitsy izy tamin’ny alakamisy 13 desambra teo ka na dia nisy olana aza ny fifandraisan’ny kandida n°25 sy Norbert Favoris tany aloha tany dia efa taratr’izany fampihavanam-pirenena izany sahady ny zava-misy ankehitriny ary manaporofo ny maha-kandidàn’ny Malagasy ny filoha Marc Ravalomanana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.