Maro ireo zava-nitranga tamin’iny taona 2018 iny. Teo ny lafiny tsy fandriampahalemana.
Ny fidangan’ny vidin-tsolika saika efa ho isam-bolana. Ankoatra ny lafiny fanatanjahantena dia azo lazaina ho niiba avokoa ny tondro rehetra teo amin’ny lafim-piainana hafa. Isan’ny nahafaly ny maro sy tena voninahi-pirenena goavana moa ny naha tafakatra ny ekipam-pirenen’ny baolina kitra na ny Barean’i Madagasikara amin’ny amboaran’i afrika amin’ity taona ity. Ny teo amin’ny lafiny politika kosa no tena nitrangan-javatra mamohehatra matetika. Tao ny tomponandraiki-panjakana azo sary nanao fihetsika mamoafady, ny kolikoly avo lenta nibaribary hatreny amin’ny antenimieram-pirenena izay nahatonga ireo depiote niisa 73 ho naneho ny tsy fankasitrahany izany ka nanomboka ilay antsoina hoe tolona ho an’ny fanovana tetsy Analakely nanomboka ny 21 aprily 2018. Nanomboka ny 29 desambra teo kosa dia nitohy tamin’ny fitakiana fahamarinana amin’ny alalan’ny fandavana ny hoso-pifidianana teo amin’ny kianjan’ny 13 may ihany izany. Ity tolona voalaza farany ity no handrandraina hitohy manomboka izao mandra-paharesena izay tsy fahamarinana izay ka mba ho ny marina no handresy. Mba izay filoham-pirenena lanim-bahoaka marina no hiakatra eo amin’ny fitondrana fa tsy filoham-pirenena lany tamin’ny hala-bato sy hosoka. Miankina amin’ny vahoaka Malagasy sy ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, araka izany, ny hahatonga ity taona vaovao ity na hanatsara na hanimba tanteraka ny fiainam-pirenena.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.