Azo heverina ny mety hanovan’ny Filoha ankehitriny ekipa amin’ity fifidianana filoham-pirenena ity.
Tsikaritra ho efa namadika mantsy ny ankamaroan’ny teo aloha, ary ny ao anatiny ihany koa toa efa misy ny tsy azoazony noho ny antony maro samihafa. Efa nisintaka ry Paul Rabary, Mahafaly Solonandrasana Olivier, Berthin Randriamihaingo,… Ireo tsy tena ekipa ihany koa fa nantsoina sy nampidirina tao anaty fanjakana noho ny fifanohanana tamin’ny 2013, dia efa nikopak’elatra, toa an-dry Roland Ratsiraka. Ry Jean Max Rakotomamonjy izay niara-dia na dia manana ny antokony aza, efa atosiky ry Laisoa Jean Pierre ho kandida. Ry Rivo Rakotovao, toa ny HVM namany aza dia maro no toa malailay fonosona aminy, ka izay no voalaza ho isan’ny nampisintaka ny mpikatroka sasany. Lojika raha nitsangana ny vovonana Voromahery, izay tsikaritra ho tsy te hiara-haloto sy ratsy laza amin’ny HVM fa ny iraisana dia ny fanohanana an-dRajaonarimampianina
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.