Mitaky ny hiverenan’i Marc Ravalomanana eo amin’ny toeran’ny filoham-pirenena indray ny vahoaka rehetra tany amin’ireo tanàna marobe manerana ny Nosy nadalovan’ny kandidà laharana faha-25, manome toky fa handatsa-bato ho azy ny 7 novambra 2018.
Mahatsiaro ny zava-bitan’i Dada tany aminy tamin’ny fotoana nitondrany ny vahoaka ka nisy mihitsy ny raiamandreny nitsodrano azy, toy ny tao Madirovalo, ary nanentana ny vahoaka hifidy azy ka hiverina eo amin’ny fitondrana ny firenena indray. Na ambanivohitra na an-drenivohitra, resy lahatra avokoa satria nahavita i Marc Ravalomanana. Mipetraka ho tantara tsara ho an’ny vahoaka ny vitany, ary tsaroan’ny Malagasy fa izy no nahavita nampandroso indrindra ny firenena hatramin’ny nahazoantsika fahaleovantena. Nandray tombontsoa mivantana na an-kolaka taminy ny vahoaka Malagasy ka anisan’izany ny hoe tsara sy nilamina ny fiainany, ambany ny vidim-piainana satria raha 2000Ar ny sandan’ny vola vahiny Euros dia efa 4000Ar eo ho eo izao, nandry fahalemana ny tany, tsara tantana ny firenena ka nipetraka ny fahatokisan’ny sehatra iraisam-pirenena,… ary haverina indray izany. Raha ny resaka fotodrafitrasa dia izy no nahatsangana tobim-pitsaboana CSB II sy sekoly nanerana ny Nosy. Raha handray ohatra vitsivitsy isika, dia i Marc Ravalomanana no nanajary an’Antananarivo tamin’ny fanamboarana ny lalana teny Anosibe, ny By Pass, Marais Masay, nahavita ny lalam-pirenena faha-6 mampifandray an’Ambondromamy sy Antsiranana, nanajary ny Morontsirak’i Mahajanga,… Hita taratra tamin’ny fotoana nitantanany ny firenena ny fampandrosoana mira zotra satria samy nisitraka izany na ny tantsaha na ny vahoaka an-drenivohitra. Ho an’ny omaly, dia Manaratsandry, Didy, Ambatomanohina, Andaingo, any amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka no nanaovany fampielezan-kevitra, ka tsy mitsahatra ny manazava ilay « Fanomezan-toky » (Manifesto) ataony amin’ny vahoaka Malagasy izy. Zaraina amin’ny vahoaka moa ity « Fanomezan-toky » ity ka ho hampatsiahivina ny kandidà Ravalomanana Marc rehefa tonga eo amin’ny fitondrana izy. Mampirisika ny vahoaka handeha hifidy izy ary mampianatra ny fampiasana ilay biletà tokana satria ny any ambany ravinkazo any no tena mila izany. Ankoatra ny fitetezam-paritra ataon’ny kandidà Ravalomanana Marc dia tsy mitsahatra ihany koa isan’andro, ny “carnaval” sy ny “carna-vam” eto an-drenivohitra ka ny tanora no manatanteraka izany ary ny fanaparitahana ny “Manifesto” no vontoatiny. Ny faran’ny herinandro moa no tena mafana ny fampielezan-kevitra ka hinoana fa mbola ho betsaka lavitra noho ny tamin’ny farany teo ny mpanohana ny kandidà Ravalomanana Marc no ho avy hanafana ny hetsika anio eny Ambohijatovo. Ho an’ny anio, dia ho any Marolambo, Fandriana, Ambositra, Ambinanindrano, Ambohimahasoa, Mahasoabe, Fianarantsoa,… i Marc Ravalomanana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.