Mifanentana ary tonga masiaka ireo mpiara-dia amin’i Marc Ravalomanana hatramin’izay, toy ireo mpitari-tolona tetsy amin’ny Magro, ny antoko MFM rantsana Analamanga,…
Isaorantsika ireo izay efa nanampy tamin ‘ny fihodinana voalohany na nivantana na an-kolaka . Misaotra ihany koa ho an'izay vao izao no nanapa-kevitra fa hifanome tanana amin'izao fihodinana faharoa izao, hoy ny fanehoan-kevitry ny depioten’i Vavatenina teo aloha Zafilahy Stanislas. Manainga ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka mba hiara-dia hanohana ny laharana faha-25 amin'ity fifidianana fihodinana faharoa ity mba hiara-misalahy ho fanarenam-pirenena. Tsy hiambo hahavita irery izany izahay satria zava-dehibe ny firaisankina ary ny fitambarana sy ny fiaraha-miasa miaraka no hitondra fahombiazana. Mitodika manokana amintsika rehetra TIM, pro Ravalomanana ary izay tia azy sy ny fampandrosoana nataony taona maro lasa izay. Aoka isika tsy hanao ranon'Ikopa, tonga namana indray vao ho mavomavo, hoy izy. Raha nisy ireo mpikambana HVM nanao fanambarana fa nanohana an'i Andry Rajoelina, dia voromanga izy ireny, fa raha hisy kosa ny HVM hanohana ny k25 lazaina fa vorondolo. Aoka isika tsy ho tratr'ireny vela-pandrika ireny fa hahay hifanampy ho tombontsoam-pirenena. Aoka hatoky sy hino ihany koa isika vahoaka Malagasy rehetra fa hafa i Dada, hoy ny hafatra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.