Asa na nahazo toky sy fanohanana avy any Sina ingahy praiminisitra Kolo Roger fa dia nivatravatra omaly raha nihaona tamin’ny mpanao gazety teny Mahazoarivo, nitatitra ny diany herinandro tany an-toerana sy ny fahitany ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny.
Manga ny lanitra eo amin’i Madagasikara sy Sina raha ny tatitra omaly teny Mahazoarivo. Vonona ny hiara-kiasa amintsika eo amin’ny sehatra maro tahaka ny famokarana angovo, fanatsarana sy fanitarana ny seranam-piaramanidina, ny seranan-tsambo, hiditra amin’ny tontolon’ny fanabeazana sy ny fahasalamana ny Sinoa, ary nampanantena sahady fa hanolotra vola 42 miliara ariary ho fanampiana an’i Madagasikara.
Izay vao tena hiasa ?
Tsy manahy ary tsy matahotra ny resaka fitsipaham-pitokisana ny governemanta mety hataon’ny antenimieram-pirenena ny tenako, hoy ny Dr Kolo Roger. Nambarany fa hainy tsara ny miresaka sy miara-miasa amin’ireo depiote ary azo ifampiresahana ny zava-drehetra. Nandà mafy ny mety hisian’ny fanovana ny mpikambana ao amin’ny governemantany ny praiminisitra. Nosoritany mazava kosa anefa fa tokony hiala ireo minisitra izay tsy vonona ny hanaraka ny vinan’ny fitondram-panjakana sy ny filoham-pirenena. Ovaina tanteraka ny fomba fiasan’ny governemanta manomboka izao, hoy ny Dr Kolo Roger, hihamafy ny hafainganam-pandeha, hametraka fomba fiasa vaovao mihitsy mifandraika amin’ny zava-misy hahatongavana any amin’ny fampandrosoana tiana atao isika, hoy izy. Atsangana ny vaomiera manokana ao anatin’ny governemanta, hisy koa ny mpanolotsaina manokana hamolavola drafi-pandaminana. Mba mahagaga ihany ity fanambaran’ny praiminisitra ity, fa inona fotsiny izany no natao nandritra izay enim-bolana niasana izay, andrana fotsiny marina ve fa izao izany vao tena hanomboka ny asa ?
Mahatoky tena be loatra
Toa nampiseho ihany koa ny praiminisitra Kolo Roger omaly fa tena mahatoky tena izy ary tsy matahotra ny antenimieram-pirenena, haiko ny miresaka amin’ny depiote hoy izy, fony izy vao voatendry ho praiminisitra anefa dia hita fa tena tahotra mafy ny teny Tsimbazaza ka vao andefasana SMS na antsoina amin’ny telefaonina dia indro fa tonga midodododo. Fa inona ary no nitranga ? Sa efa manana paik’ady hafa kely hifehezana na hanambatambazana ny solombavambahoaka ve izany ny praiminisitra ka sahy manao vavabe toy ireny ? Sa ve tena nanova zavatra maro marina iny fitsidihana tany Sina iny, tahaka ny hoe nahazo toky be tamin’ny kely maso ingahy praiminisitra. Raha ny filazany dia nety tsara taminy ny fihaonana tamin’ny praiminisitra Sinoa sy ny mpanankarena indrindra any Sina ary ireo mpandraharaha Sinoa izay 10 isan’andro no noraisiny. Inona no dikan’izany rehetra izany ? Hirohotra ho avy eto amintsika indray ve izany ny Sinoa hifehy ny afera rehetra eto ? Misy ny mpandinika ny tontolo politika mihevitra fa izay vao hametraka ny maha izy azy amin’izay ny praiminisitra Kolo Roger ary tsy hanaiky intsony ataon’ny filoham-pirenena mpiasa be mpanatanteraka ny baiko fotsiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.