Politique

Tonga i Dada Niverina amin’ny heriny ny TIM


  • Alatsinainy 02 Martsa 2015

Vory lanona teny Faravohitra ny sabotsy lasa teo ny fianakaviamben’ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM). Voalohany no nisy fihaonana tahaka izao tato anatin’ny 6 taona. Fihaonana sy fifanatrehana tava mivantana voalohany tamin’ny filoha mpanorina ny antoko Atoa Marc Ravalomanana ihany koa izy ity

 

hatramin’ny niverenany indray an-tanindrazana. Tsy dia afaka niresaka firy moa Atoa Ravalomanana noho ny fepetra napetraky ny fitondram-panjakana. Na izany aza dia nisy ihany ny hafatra avy any aminy amin’ny maha raiamandreny azy. Nambarany fa zava-dehibe ny fifampatokisana raha toa ka te hahavita zavatra sy te hanarina marina ny firenena. Efa tena rava mantsy io fifampatokisana io eny anivon’ny fiarahamonina, hoy Atoa Ravalomanana ka izay no tsy mampandeha ny asa eto. Manampy izay dia zava-dehibe ny fifanohanana, ny fiaraha-miasa ary ny fisian’ny fitoniana mba hampitsiry indray ny fanantenana ho amina hoavy tsara kokoa sy mamiratra ho an’ny rehetra.

Samy tompon’andraikitra

Fantatra nandritra izao fihaonambe izao fa manohy ary hanohy hatramin’ny farany ny fampihavanana tarihan’ny FFKM ny ankolafy Ravalomanana satria ny tombontsoa ambonin’ny firenena no jerena. Efa nisy ny zava-bita tao anatin’izany, nisy ny nifanarahana ary nanasonia izany ireo filoha 5 mirahalahy izay samy niaiky fa tompon’andraikitra tamin’ny zava-nitranga teto amin’ny firenena ary handray andraikitra amin’ny fanarenana ny firenena. Hitety faritra ny 5, 6 ary 7 martsa ho avy izao ny fakan-kevitry ny FFKM momba ny fampihavanam-pirenena ary hotanterahana ny 26 sy 27 martsa ho avy izao eto Antananarivo ny fihaonambem-pirenena handravonana ny hevitra rehetra. Tena handray anjara mavitrika amin’ireo dinika rehetra ireo ny olon’ny ankolafy Ravalomanana izay efa tena niomana fatratra.

Manomana ny 2018 ?

250 teo ho eo no mpizaika tonga teny Faravohitra ny sabotsy lasa teo nandritra ny fihaonamben’ny Tiako I Madagasikara, nahitana ireo lohandohan’ny mpisorona, olom-boafidy sy olom-boatendry teo aloha sy ankehitriny avy amin’ny TIM. Anisan’ny tazana teny an-toerana, ohatra, ny praiminisitra teo aloha ny jeneraly Rabemananjara Charles, ny ben’ny tanànan’Antananarivo teo aloha Patrick Ramiaramanana, Atoa Bruno Andriatavison, minisitry ny serasera tamin’ny 2009, Ramamonjisoa Benjamin (loholona) sy Rabenatoandro Lanto (filohan’ny faritra Vakinankaratra teo aloha). Fa nanatrika ity fihaonamben’ny TIM ity ihany koa ny minisitra roa ao anatin’ny governemanta dia Atoa isany Roland Ravatomanga (minisitry ny fambolena) sy Henri Rabesahala (minisitry ny varotra sy ny fanjifana). Hita fa manana olona mahay mahalala ary mahavita tsara mitantana firenena ary efa mampivondrona ny heriny indray ny Tiako I Madagasikara. Tsy maintsy hisy ny fandaminana vaovao, hoy i Guy Rivo Randrianarisoa mba hampirindra tsara ny asa eo anivon’ny TIM, ary maraka hatrany ny foto-kevitra ijoroan’ny filoha Ravalomanana moa izany rehetra izany.Antoko goavana sy matanjaka ny TIM ary hita fa mivonona ny hiatrika fifidianana ary efa manana ny fandaharanasany sy ny paikadiny ho amin’ny fanarenana ny firenena, ary azo antoka fa tsy maintsy hanolotra kandida filoham-pirenena amin’ny 2018.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT