Hisaorana ny Malagasy rehetra nanatanteraka ny fifidianana tao anatin’ny fo tony sy firahalahiana tanteraka, hoy ny filohan’ny antoko politika Antokom-Bahoaka malagasy (ABA), Dani Rakotoson.
Hiaraha-mahalala mantsy ny tsy fetezana sy tsy fahatomombanana hita tao anatin’ny fikarakarana ny fifidianana. Izay zavatra izay dia hanaovanay antso avo ireo tompon’andraikitra mba hametra-pialana. Miantso ny fitondram-panjakana ihany koa izahay, hoy ny tenany, mba handray fepetra amin’ireto haino aman-jery isan-karazany izay mamoaka vokatra samihafa ireto satria mitarika fikorotanan-tsaim-bahoaka sady mety hiteraka fifandonana sy fifandrafiana eo amin’ny samy malagasy indray. Aoka ny vokatry ny CENI ihany no iarahana, hoy izy. Mikasika ny antoko ABA sy ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena moa dia nilaza ny tenany fa tsy ao anatin’ny fandaharan’ny antoko ny hanohana kandida amin’ny fihodinana faharoa. Raha nieritreritra izany izahay, hoy izy, dia naleonay tsy nanohana kandida tamin’ny fihodinana voalohany. Efa miomana amin’ny fifidianana solombavambahoaka kosa izahay, hoy hatrany ny filohan’ny antoko.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.