Herinandro mahery izay no nandeha ny fampielezan-kevitra, hoy ny filohan’ny fiarahamonim-pirenena Dinika Fanavotam-Pirenena ( DFP), Maharavo Ratolojanahary na Doudou.
Nahazo alalana amin’ny fanaraha-maso izany avy amin’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI izahay, hoy izy. Ny tsikaritra dia tsy mbola tonga any amin’ireo distrika foana hatramin’izao ireo karatra famantarana ny maha mpanara-maso na “Badge”. Nohamarinin’ny CENI io, hoy ny tenany. Amin’ny 19 oktobra (TTF: Rahampitso), raha ny vaovao heno vao ho tonga ao amin’ny CENI, hono. Tsikaritra ihany koa araka izay fahafaha-manao fa na dia mbola misy tompon’andraiki-panjakana sahy manao propagandy ary mbola misy kandida sahy mampiasa fitaovam-panjakana amin’izany koa dia efa manomboka mihena ny fahasahiana mandika lalàna amin’ny ankapobeny. Efa nampitandrina ny DFP, ny minisitry ny atitany ary ny praiminisitra, hoy hatrany izy. Tranga hita farany izao ilay tao Amparafaravola izay nisy nampiasa ny fiarakodian’ny BNGRC. Nisy ben’ny tanàna lefitra mbola nanao fampielezan-kevitra koa tao Manjakandriana. Hiditra amin’ilay dingana fitoriana any amin’ny fitsarana famaizana izahay, hoy i Doudou, ary enga anie mba ho be ireo higadra amin’izay fay tsara.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.