Miditra amin’ny herinandro fahatelo ankehitriny ny fampielezankevitra, hoy ry zareo avy eo anivon’ny Dinika Fanavotam-Pirenena (DFP).
Be ny tsy fanjariana hita. Nahatratra minisitra sy ben’ny tanàna lefitra nanao fampihelezankevitra izahay, hoy izy ireo tany Matsiatra ambony. Hatrany ambony ka hatrany ambany ahitana tompon’andraiki-panjakana manondrana avokoa foy ny Lehiben’ny faritra be dia, ny sefo fokontany. Rehefa tombanana dia efa maherin’ny 100 isa, hoy i Doudou na Maharavo Ratolojanahary, mpandrindra nasionalin’ity rafi-piarahamonim-pirenena ity. Ny sasany, tsy menatra mihitsy mandihidihy. Mety hiroso amin’ny fametrahana ireo fitoriana isam-paritra amin’izay izahay amin’io herinandro io. Olana kely ny hoenti-manana satria tsy maintsy midina ifotony izahay ary mila iantohana ny ain’ireo delegasionina hametraka ireo fitoriana. Manao antso avo amin’ireo tsara sitrapo hatrany ary isaorana ireo izay efa nanampy sy mbola manao tohivakana manontany izay azo hanampiana ao anaty mailaka sy fitaovan-tserasera samihafa ao. Manahirana moa, hoy izy, ny mamoaka ny anaran’ireo tompon’andraikitra ireo ao anatin’izao fampielezankevitra izao fa aleo ho vita ny fifidianana dia ho hitanareo eo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.