Lanonana roa sosona no indray notanterahina tao an-drenivohitry ny Faritra Atsinanana ny faran’ny herinandro teo. Lohalaharana tamin’izany ny fametrahana ny samboadin’ireo Ben’ny tanŕna miisa 23 avy amin’ny Faritra
Alaotra Mangoro, Atsinanana ary Analanjirofo. Narahin’ny fametrahana ny samboadin’ireo solombavambahoaka miisa 18 mianadahy lany tany amin’ireo faritra telo ireo izany, izay teo ambany fitarihan’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max. Ho an’ireo solontenam-panjakana nandray ny fitenenana dia samy nampiseho ny maha zava-dehibe ny andraikitra sy ny fisiany ary ny asa miandry izany solombavambahoaka sy Ben’ny tanàna izany izay mila finiavana sy fandavan-tena tokoa. Na izany aza dia hadinon’izy ireo ny nitondra ny fiaraha-miory tamin’ireo mpiray tanindrazana izay nitondra takaitra vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Chedza manerana ny Nosy. Tsara ny manamarika fa maina tanteraka ny andro tao Toamasina nanomboka ny sabotsy lasa teo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.