Asa very maina ! Nambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalŕmpanorenana tamin’ny didy navoakany omaly fa tsy mifanaraka amin’ny lalŕmpanorenana ny lalŕna 2014-039 nolanian’ny solombavambahoaka teny Tsimbazaza tamin’ny 16 desambra 2014,
mamaritra ny zo sy tombontsoan’izy ireo. Voakasika manokana amin’izany ny fahazoan’ny depiote sy ny vady aman-janany pasipaoro diplaomatika, ny fahazoan’izy ireo efitra manokana natokana ho an’ny olo-manankaja ambony rehefa eny amin’ny seranam-piaramanidina, ny tsy fisavana azy ireo miaraka amin’ny besinimaro raha hiondrana any ivelany … Misy ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny fanomezana pasipaoro diplaomatika sy ny zo mifanaraka amin’izany, hoy ny HCC fa tsy ny solombavambahoaka no hamaritra araka izay tiany ny momba izany. Hafahafana indray ny adihevitra eny Tsimbazaza eny amin’ny fotoana voalohany hihaonan’ny governemanta Ravelonarivo amin’ireo depiote.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.