Politique

Tolon’ny fanovana Hiroso amin’ny dingana avoavo kokoa


  • Zoma 18 Mey 2018

Dila ny lera ! Anio no fotoana tokony hivoahan’ny fanapahan-kevitra avy eo anivon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana momba ny hoavin’i Madagasikara.

Andrasana mialoha izany anefa ny an’ny filoham-pirenena ka hametra-pialana ve ity farany sa andrasana halana amin’ilay antsoina hoe “déchéance” raha toa ka hanaiky hampihatra izany ny HCC ? Raha ny zava-nisy nanomboka teny amin’ny kianjan’ny 13 mey omaly nizotra nitokona nanoloana izay lapan’ny HCC izay dia hita fa efa tena feno fahavononana tokoa ireo mpitolona marobe ka tsy hihemotra intsony amin’izay mety hitranga satria tsy misy hita ho tsy mampitombina ny fitakiana ataony dia ny fialan’ny filoham-pirenena. Ampy ho antony tokony hametrahan-dRajaonarimampianina fialana na hampiatoana azy amin’ny asany ny tsy nananganany ny fitsarana avo na ny HCJ, 12 volana taorian’ny nandraisany fahefana. Manginy fotsiny ny fandikana lalàmpanorenana hafa. Tsiahivina moa fa hifarana anio ny 72 ora tokony ho niarovan’ny voapanga tena ary dia efa nanamafy ireo depiote miisa 73 omaly fa hiditra amin’ny dingana avoavo kokoa ny tolon’ny fiovana raha sanatria tsy mahafa-po ny zava-mitranga anio zoma.Nahitsy ny resaky ny depiote Hanitra Razafimanantsoa omaly teny amin’ny kianjan’ny 13 mey , aza mietraketraka, hoy izy mantsy ny mpitondra fanjakana fa tsy ho tantinareo ny hatezeram-bahoaka.Aorony tsimoramora ny entana dia zory ny lalanareo…nanontany ny vahoaka izy nony avy eo hoe : vonona ny amin’ny zava-drehetra ve ianareo, ary namaly ny vahoaka hoe : vonona izahay. Tsy mbola fantatra mazava kosa hatreto izay ho ambaran’ny HCC na dia efa natsidika teny amin’ny kianjan’ny 13 mey ihany aza fa efa fandresena amin’ny ampahany ny naneken’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) nandray ny taratasin’ady fitoriana.


J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT