Politique

Tolon’ny depiote miisa 73 Aza ajanona ary asio tamberina any amin’ny vahoaka, hoy ny FMI Malagasy


  • Talata 08 Mey 2018

Hatramin’ny taona 1972 no nisy hetaheta sy hetsi-bahoaka, hoy ny filohan’ny Fahefa-MIvidy izao no ilain’ny Malagasy na ny FMI Malagasy, tarihin’ny filohany, Jean Jacques Ratsietison, teny Mahatony Soavimasoandro, omaly.

 

 Nisy ratra sy faty olona hatrany ireo tolona saingy ny mpanao politika foana no voky ary tsy mbola nisy maty. Tamin’ity 2018 ity izahay dia mankasitraka ireo depiote miisa 73, hoy ny filohan’ny fikambanana. Mankasitraka koa ilay hoe tsy misy resaka TIM sy Mapar. Ny hiangavianay kosa, hoy izy, dia mba asio tamberina amin’ny vahoaka io tolona io satria ny rehetra dia afaka manatanteraka ny fampidinana ny vidim-piainana raha manaraka ny fepetra. Takio ny fialan’ny filoham-pirenena ary aza ajanona eo anefa ny ezaka fa makà fepetra hampidinana vidim-piainana. Fepetra takiana, hoy hatrany izy, ny fanafoanana ny MID na ny « Marché interbancaire de devise » izay mampihidy antsika. Sokafy ny varavarana dia averina ny rafitra momba ny tahabola tsy miovaova (système de taux de change fixe). Akarina 100% fara fahakeliny ny sandam-bola malagasy. Vao izay no tanteraka dia hidina ho amin’ny antsasa-bidy avokoa ny vidin’entana rehetra ilaina amin’ny andavanandro sy ny fanafody fa tsy ny solika fotsiny, raha ny fanazavany hatrany. Nohamafisiny moa fa ny FMI Malagasy dia tsy hiditra anaty fanjakana raha tsy ireo no fepetra ifanarahana.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT