Politique

Tolon’ny depiote ho an’ny fanovana Tsy mihemotra intsony na dia ezahana lotoina aza


  • Alatsinainy 07 Mey 2018

Lasa resabe sy ezahina hamotehana ny tolona eny amin’ny 13 mey amin’izao fotoana ny fivoizana ny hoe niresaka ny lehiben’antoko izatsy na izaroa sy ny filoham-pirenena. Ny mpitari-tolona eto dia aoka tsy hadino fa ny solombavambahoaka.

 

 Raha aminay solombavambahoaka ireo no misy hoe mandeha mihaona amin-dRakoto na Rabe tsy hifampierana, dia mampiahiahy izany ary afaka mieritreritra isika hoe mpamadika izany, hoy kosa ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Raha maheno hoe filoha izao na izao mifampiresaka any, dia aleo izy handamina ny raharahany any raha mahasoa ny firenana izany fa tsy misy hidiran’ny eto satria izy tsy mitarika ny tolona eto, hoy izy. Mazava ny tolona dia ny hoe: tsy maintsy miala daholo ny fitondram-panjakana hatramin’ny tompon’andraikitra rehetra mikasika io fifidianana io, hatrany amin’ny lehiben’ny fokontany. Tsy misy dikany ny tolona natao raha tsy izay no zavatra hatao, hoy hatrany ny solombavambhoaka Hanitra Razafimanantsoa. Tsy hoe vita ny lalàna tany amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, dia handeha hiroso amin’ny fifidianana. Tsy misy an’izay fa mila miala daholo aloha ny rafitra rehetra fa tsy matoky anareo izahay, ary tsy mahatoky anareo ny vahoaka, hoy depiote Hanitra Razafimanantsoa. Aleo aloha hamboarina ny zava-drehetra vao miditra amin’ny fifidianana, raha ny nambarany. Tsy miato ny tolona fa miala ny praiminisitra, miala i Rivo Rakotovao, izay raha ny voasoritry ny lalàmpanorenana dia ny filohan’ny antenimierandoholona no misolo ny filoha raha miala izy. Tsy maintsy misy didin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana miteny hoe nametra-pialana ny teo alohany, ary tsy maintsy jeren’ny HCC izany, izay vao afaka manao fifidianana vaovao mifidy filohan’ny antenimiera, hoy kosa ny fanazavan’ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Tsy izay no zavatra nisy tao fa fanonganam-panjakana, ka rehefa tsy  ara-dalàna no nipetrahanao teo, dia tsy afaka mandray io fitondrana io ianao na dia mievotrevitra any amin’ny fahitalavitra aza, hoy hatrany ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Mitohy ny tolona, ary dingana lehibe no efa vita, ka vitsy sisa ny minisitera no tsy miaraka amin’ny tolona. Efa miaraka aza fa miandry halaina sisa anio alatsinainy, hoy hatrany ity depiote ity. Vitaina anio izany, dia hiditra amin’ny toeram-piasana, izay misy volam-panjakana rehetra toy ny banky, trano fiantohana sy ireo rafitra ara-stratejika rehetra eto amin’ny firenena, raha ny fanazavany. Roso ary tsy mimpody intsony ny depiote raha tsy miala ny filoha sy ny fanjakana tarihiny.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT