Politique

Tolon’ny depiote 73 Hiankinana fiovana maro


  • Alarobia 16 Mey 2018

Depioten’ny fanovana ! Izay moa izany no anarana nosafidian’ireo depiote mpitari-tolona miisa 73 etsy amin’ny kianjan’ny 13 sy manerana ny nosy amin’izao fotoana.

 Raha tsiahivina, tsy fanekena ny fandaniana amboletra ny lalàm-pifidianana saika ho hampiharina tamin’ity taona ity no nihatombohan’ny savorovoro ka nahatapa-kevitra azy ireo hanao tatitra amin’ny vahoaka eny an-kianja nanomboka ny 21 aprily teo. Tsy takona afenina tao anatin’izay anefa fa nifotorana kolikoly sy ampihimamba maro ny fikirizam-bibin’ny fitondrana nandany izany lalàna izany ary dia io izy izao miafara amina fitakiana ankolafy maro ny fametraham-pialan’ny filoham-pirenena io. Mipoitra tsikelikely avy amin’izany ankolafy isan-karazany izany koa ankehitriny ireo karazana tolo-bahaolana heverina tsy hampiverina ny krizy sy irosoana any amin’ny fiainana tsaratsara kokoa amin’izay. Vahaolana ary ve ny firosoana amin’ny fifidianana sa mila manangan-drafitra sy lalàmpanorenana vaovao aloha ? Raha ilay safidy faharoa dia toa midika avy hatrany fa mila miroso amina tetezamita sy fifampidinihana maro samihafa koa izany. Raha hirosoana kosa anefa ilay voalohany dia sarotra ny tsy hiahiahy fa mbola hiverina indray ny kisarisary toy ny efa nisy hatramin’izay. Izany hoe, aorian’ny fifidianana dia mety hisy filoham-pirenena vaovao ratsy fidy indray (mal élus) ka mbola hampiverina fidinana an-dalambe sy ra mandriaka. Hiankinana fiovana maro noho izany ny tolon’ireo depiote 73.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT