Ao anatin’ny heriny tanteraka ny antoko Tiako I Madagasikara na ny TIM amin’izao fotoana, indrindra ny tolona eny an-kianja misy ankehitriny.
Maneho ny heriny hatrany ary mampiseho fa antoko matanjaka sy nijoro hatrany sy mafy na dia efa 15 taona aty aoriana aza. Somary niova fomba fiasa kely mba hoenti-maneho fa miaina sy velona ary vonona hatrany amin’ny raharaham-pirenena ny TIM. Miainga eny an-kianjan’i Behoririka mifanome toromarika amin’ny tolona atao eny amin’ny 13 mey hisorohana ny mety ho fanamaivanana na fandotoana ny antoko, ka niavaka tanteraka ny fahatongavany teny an-kianja omaly. Raha efa nanome ny toromarika efa hiainga teo amin’ny 13 mey ny depiote no nipoitra ny filaharam-be nialohavan’ny fiara niravaka sorabaventy, narahin’ny vahoaka maro be nitanjozotra. Mametraka hatrany ny maha tsy azo ihodivirana azy amin’ny raharaham-pirenena ny TIM, ary voaporofo izany eo amin’ny fomba fiasa sy ny fananana mpitarika tena mahafehy ny vahoaka sy ny firenena. Miainga amin’ny faharesen-dahatra ara-poto-kevitra ny fanohanana fa tsy olona tambazana ara-bola toy ny an’ny sasany, raha tsy hilaza afa tsy ny fanaon’ny HVM. Tsy sanatria hanenjehana be fahatany ny hafa na koa handokafana an-jambany fa tsy mba manakarama mersenera politika ny TIM, ka tsy ilay hilaozan’ny omby miahaka eo rehefa mafy ny ady, toy izao mahazo ny fitondrana ankehitriny izao. Maneho hatrany ny firaisan-kina amin’ny rehetra ny TIM sy ny Zanak’i Dada eo anatrehan’ny tolona iaraha-manana tahaka izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.