Politique

Tolon’ny 13 mey Miantso ny fiangonana, ny mpiasa, ny sendika,…


  • Zoma 04 Janoary 2019

Tsy arakaraka ny maha andro fiasana sy antenantenan’andro azy, fa tena rakotra vahoaka tanteraka ny teny amin’ny “Parvis” anoloan’ny Lapan’ny tanànan’Analakely omaly alakamisy 3 janoary.

 

 

 Nanomboka maraina no nosakanana, saingy tsy niala teny an-toerana ny vahoaka tamin’ny ankapobeny, ka raha vao navela hiditra teo an-kianja ny tolakandro dia rakotra olona vonon-kijoro sy hiady hatramin’ny farany hisian’ny fahamarinana sy hivoahan’ny tena safifdim-bahoaka. Tsy hanaiky lembenana eo anatrehan’ny fampanjakana ny hosoka sy ny hala-bato tamin’ny fifidianana, ka vonon-kijoro sy hamaly ny antso hatrany raha mbola izay fampanjakana ny fahamarinana sy ady amin’ny kolikoly sy hosoka izay no resahina. Na izany aza dia manao antso avo ho an’ny Fiangonana sy ny FFKM aho, mba hijoro satria ady amin’ny tsy fahamarinana no atrehana amin’izao fotoana, hoy ny mpisolovava Hanitra Razafimanantsoa. Miantso ireo namana maro be ao amin’ny fitsarana vonona hiady amin’ny tsy fahamarnana ihany koa izy ho tonga hanatevin-daharana ny tolona eny amin’ny kianjan’ny 13 mey satria ho potika tanteraka ny fiainantsika raha toa ka io tsy fahamarinana io no mahazo laka. Niantso ny mpiasam-panjakana, ny mpampianatra, ireo sendika, ireo tsy an’asa rehetra ho avy hanatevina ny tolona ihany koa ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Tsy ho vitanay irery fa tsy maintsy hiarahantsika ity tolona ity, hoy izy. Hohamafisina ny tolona efa misy ary hovelomina ny any amin’ireo tsy mbola misy. Toy ny any Toamasina dia ho renareo eo ny akony, hoy Rakotomalala Henri na Riribe. Efa hatry ny alarobia 2 janoary koa no nanomboka ny tao Mahajanga,…

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT