Politique

Tolona ho an’ny fanovana Tonga ihany koa ny mpitatitra


  • Alatsinainy 04 Jona 2018

Tonga masiaka araka ny fomba fiteny ary nanatevina ny tolona ho an’ny fanovana teny amin’ny kianjan’ny 13 mey ny sabotsy lasa teo ny fianakaviamben’ny mpitatitra.

 Niainga teny amin’ny tobim-piantsonana fasan’ny Karana ny filaharan’ireo taksibrosy sy izay nanara-dia azy ireo nombana olona maro be. Tazana tamin’ny sorabaventy nirentirenty ny hoe : “ Tsy mila ATT”, “Tsy mila minisitry ny fitaterana” sy ny baikom-pitolomanana mahazatra hoe : “miala Rajao”. Nanizingizina ireto mpitatitra amin’ny zotra rezionaly sy nasionaly ireto fa maro be ny tandrevaka sy ny tsy araka ny tokony ho izy amin’ny fandaminana ny asan’izy ireo. Tsy mandà fanatsarana mihitsy izahay, hoy izy ireo fa atao amin’ny alalan’ny fifampiresahana sy fifanakalozan-kevitra izany fa tsy sanatria atao tery vay manta na atao satria ahitana olona ambonimbony tombontsoa. Manohana hatramin’ny farany ny tolona ho an’ny fanovana tarihan’ny depiote 73 ny mpitatitra ary hanao izay vitany mba hampahomby ny tolona, hoy ny resaka teny an-kianja ny sabotsy teo.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT