Fandemen-tsaina ezahana haparitaka amin’ny tolona sy hetsi-bahoaka, toy ny misy ankehitriny ny hoe: ny vahoaka atao fitaovana politika sy tohatra fiakarana.
Fiaraha-mientana io, tsy maintsy misy ny mpitarika sy ny taritina, ary rafitra mila hajaina sy toavina io. Ny mpanao politika no mpitarika na “leader”, ary ireny no mahazo seza sy fahefana, ary eo no ilana ny tamberim-bidy sy valim-babena amin’ny vahoaka. Ny firenena tena tafita rahateo dia, tena nitolona sy nijoro amin’ny maha olom-pirenena azy ny vahoaka. Tena niady fa tsy nanao sarintsarina tolona, ary tsy resaka politika fotsiny io, fa na ara-tsosialy na ara-toekarena, eny fa hatramin’ny rafitra hitondrana ny firenena, dia mila jerena avokoa. Mila mahatoky ny mpitarika ny vahoaka, ary zava-dehibe ny velirano ifanaovan’ny andaniny sy ny ankilany. Mila mpitarika tena mahay sy mitazona ny teny nomeny, ary tsy manosi-bohon-tànana ny vahoakany ihany koa. Betsaka kosa teto amintsika ny mpanao politika nandiso fanantenana ny vahoaka, ka izay no niteraka fomba fijery sy fahakiviana ho an’ny olona sasany hoe: hatao fitaovana politika ny vahoaka. Vao mainka miteraka firaviravian-tànana sy tsy hitondra soa velively ny famelana izay toe-tsaina izay hiorim-paka satria tsy hahatsapa intsony fa manana adidy sy andraikitra amin’ny firenena. Vao mainka manome vahana ny mpanao politika hanaonao foana sy tsy hanana arofanina, ka izany no ilàna ny tolona mahery vaika, toy ny misy ankehitriny mba ho anatra sy arofenitra ho an’ny mpitondra hifanesy. Ny firenena tena tafita rahateo, dia tena nitolona sy nijoro amin’ny maha olom-pirenena azy ny vahoaka, ary nifanao velirano tamin’ny mpitondra ekeny teny sy atokisany. Raha handray ohatra iray isika, dia isan’ny firenena nahita ny hirifirin’ny ady an-trano sy fifamonoana i Rwanda tany amin’ny 20 taona lasa. Isan’ny niady sy nitolona, ary nitarika milisy tao anatin’izany aza i Paul Kagame, saingy noho ny fahaiza-manaony sy fipetrahan’ny fitokisan’ny vahoaka azy, dia hainy ny nampiombona ny Rwandais noho ny velirano, fa ny firenena no zava-dehibe. Toy izany ihany koa ny tolona nivaivay noho ny resa-bolokoditra tatsy Afrika Atsimo, saingy nahavita Revolisionina goavana i Nelson Mandela.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.