Nangotraka ny tolona notarihin’ireo depioten’ny fanovana niainga teny amin’ny Oniversiten’Ankatso omaly. Tonga teny an-toerana, araka ny fampanantenana efa nataony ny depioten’ny fanovana naka ireo mpianatra sy ny mpampianatra ao anatin’ny SECES Antananarivo, izay naneho ny fahavonany hanampy ny tosika ny tolona noho ny fanaovana tsinontsinona hatrany ny fampianarana ambony.
Tsy ity fanjakana ity no mbola hantenaina hitondra fanovana sy hitondra vahaolana manoloana ny hetahetan’ny mpianatra amina lafin-javatra maro, toy ny resaka vatsim-pianarana, tambajotra wifi, trano fonenana,… Tsy nahasakana ny tolona ny fanakorontanana nisy teny an-toerana tamin’ny alalan’ny fisiana andian-jatovo nitoraka “cocktail Molotov” . Taorian’ny fanentanana tany amin’ny Conaco Médecine sy DEGS, dia niainga teo amin’ny amin’ny Esplanade Ankatso ny diabe, ary efa nisy ny andiana vahoaka niantrana niaraka tamin’ny sora-baventy teo amin’ny fiantsonan’ny taksibe 119. Mpitandro filaminana tokony ho 4 kamio niaraka tamina fiara tsy mataho-dàlana 4 no tazana teo, ary fiara tsy mataho-dàlana 4 ihany koa ny teny Tsiadana, saingy nitazam-potsiny izy ireo. Raikitra ny diaben’ny vahoaka an’aliny, ka efa tany Ampasanimalo manakaiky ny Shoprite ny lohan’ny filaharana, kanefa mbola tany Ankatso ny rambony. Nisy ny fiatoana kely teo, ka namoahana ny mpiasan’ny Minisiteran’ny vola teo Ampasanimalo. Tokony ho tamin’ny 12 ora sasany mahery kely teo no niditra teny an-kianja ny diabe. Nampitain’ny depiote Tinoka Roberto, fa mbola tsy te hiala sy mihevitra ny hivoaka am-pahamendrehena Rajaonarimampianina. Raha te hanao hivoaka am-pahamendrehana dia “miala izao dia izao” na tonga eny amin’ny 13 mey, dia mifona amin’ny vahoaka nalatsakao ra sy nampahorianao nandritra ny 4 taona, hoy izy.
Hanao ampamoaka momba ireo dosie maloto
Anio moa, dia eny an-kianja ny fotoana manomboka amin’ny 10 ora maraina. Avy eo hanao “sit-in” eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana ( HCC) hitanisa ireo sy hamaky bantsilana ireo dosie maloto sy zava-doza sy kolikoly isan-karazany nataon’ny fanjakana: ny raharaha Houcine Arfa, ny raharaha Antsakabary, ny volabe an-tapitrisany Euros tratra tany Frantsa. Mandeha ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena sy ny mety ho fanangonan-karena na fitaomana faramparany izay azo halaina, raha ny tatitra teny amin’ny kianjan’ny 13 mey omaly. Nanome baiko amin’ny hananganana andrimasom-pokonolona hanaovana barazy ny depiote. Ny fanapahan-kevitry ny HCC no mety hamarana ny tolona, raha ekena ny fialan’ny filoha, ary vao mainka hampihitatra azy faran’izay mafy raha ny mifanohitra amin’izany no mivoaka. Hentitra rahateo ny depiote nilaza, fa mitsara araka ny lalàna no anjaran’ny HCC, fa tsy mamoaka fehin-kevitra toy ny fifampiraharahana sao hitranga ny toy ny tamin’ny 2015, nisian’ny fifanarahan’andraikitra na “Pacte de Résponsabilité”, ka naha afa-bela ny Filoha, izay tamin’izany no efa saika voaongotra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.