Fanapahan-kevitra politika no azo hilazana ny didin’ny HCC tamin’ny famaliana ny fitorian’ny depioten’ny fanovana mikasika ny fitoriana noho ny fanitsakitsahana lalàmpanorenana. Anisan’ny nivoitra ny tsy nananganana ny Fitsarana tampony na ny HCJ (Haute Cour de Justice),
izay azo hanesorana ny filoha amin’ny toerany raha tsy tafajoro herintaona farahafahakeliny aorian’ny fianianan’ny filoha. Nanaiky ny tsy nahatafatsanganany ny HCC, izany hoe raha ara-teknika dia efa tsy teo amin’ny toerany intsony ny filoham-pirenena. Rehefa nanaiky ny HCC fa voamarina tokoa ny tsy nananganana ny HCJ, dia mazava fa mila miala ny filoha fa tsy lojika ny hoe tazonina eo ihany ka vao mainka io mampikorontana, hoy ny mpahay lalàna iray. Amin’ny maha raharaham-pitsarana azy, dia mijery ny teboka tsirairay amin’ny taratasin’ady fa tsy mionona fotsiny amin’ny resaka lalàmpanorenana. Raha lalàmpanorenana fotsiny no nojerena, izany hoe ny lafiny ara-teknika dia resy ny filoha. Amin’ny maha rafi-pitsarana ny HCC sy maha andrim-panjakana azy, dia lojika ny mety nisian’ny fitsarana politika, hoy kosa ny mpahay lalàna iray hafa. Hatry ny ela no niandrasana io didy io. Raha ny nambaran’ny depioten’ny fanovana teny an-kianja tamin’ny alalan’ireo mpahay lalàna ao anatiny kosa dia ny mitsara araka ny lalàna no anjaran’ny HCC fa tsy mamoaka vahaolana ara-politika. Mitovitovy amin’ny didy navoaka tamin’ny fitakiana ny fialan’ny filoha tamin’ny taona 2015 ihany, ka namoahana ny fametrahana ny fifanarahan’andraikitra na « pacte de resposabilité » teo amin’ny filoha sy ny depiote, saingy tsy izay tena vokany na fampiharana azy. Raha tsy misy ny fifanarahana politika ao anatin’ny fotoana fohy, dia mety hiteraka savorovoro sy gidragidra tsy hifankahitana ity didy ity. Efa nisy ny fampitandremana tany aloha nataon’ny depioten’ny fanovana, fa tomponandraikitra feno ny HCC, raha mifanohitra amin’ny hetahetam-bahoaka, ary aza terena hiditra amin’ny lalana ivelan’ny lalàmpanorenana izahay, hoy izy ireo. Ho mafy ny tolona eny an-kianja anio, ary andrasana izay fanambarana sy fanapahan-kevitry ny depioten’ny fanovana sy ny vahoaka, izay tombanana fa tsy miova amin’ny heviny, dia ny hoe : « miala Rajao ». Politika anefa no lalaovina, ary tsy hay izay mety ho fifanarahana politika eo, ka dia miandry ny rehetra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.