Politique

Tolona ho an’ny Fanovana Aongana ireo mpamadika


  • Alarobia 30 Mey 2018

Tafapetraka soa aman-tsara teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny fitoriana nataon’ny depioten’ny fanovana an’ireo depiote namadika palitao nivadika ho HVM nanomboka tamin’ny famoronana maro an’isa sadasada hahafaha-manendry praiminisitra ny taona 2014.

 

Niainga teny an-kianja ny rehetra nanao diabe nihazo ny HCC. Depiote 17 ireo notoriana, ka ny 13 dia tao amin’ny MAPAR, 2 tao amin’ny TIM dia Ravahimanana Guillaume voafidy tany Miarinarivo sy Andriamitantsoa Bénjamin, ary 2 avy amin’ny MMM. Voafaritry ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-72 io tsy fahafahana mivadika amin’ny antoko politika nahalany io, ka izay no anton’ny fitoriana hanalana azy ireo amin’ny maha solombavambahoaka azy na ny « motion de déchéance ». Anisan’ny naneho hevitra momba io moa ny mpahay lalàna sady mpisolovava Willy Razafinjatovo izay nilaza fa tsy mahazo manao « makorelina » politika ny solombavambahoaka, ary io voambolana io no azo hilazana ireo depiote namadika ny antoko nisy azy. Vita iny ny fitoriana. Inona indray no hafitsoky ny HCC ? Haharitra mandra-pahoviana ny valiny ? Etsy an-daniny, mbola milaza azy ho maro an’isa sy afaka manendry ny praiminisitra ireo depiote mpanohana ny fitondrana, ka nambaran’i Mahazoasy Fréddie omaly, fa izy ireo no manana ny zo sy ny fahefana hanolotra ny anaran’izay ho praiminisitra. Ny voalazan’ny andininy faha-54 ao amin’ny lalàmpanorenana ampian’ny laharana 11-CES/AR.14 ny 06 febroary 2014, mikasika ny voka-pifidianana solombavambahoaka ofisialy, izay mamaritra avy hatrany ny maro an’isa, raha ny didin’ny HCC. Efa fomban’ny HVM io tsy miraharaha lalàna sy manao bodongerona io satria didim-pitsarana avoakan’ny filankevi-panjakana izao aza moa tsy misy dikany amin’izy ireo. Tsotra kosa ny nambaran’ny depiote voafidy tany Ambatolampy hoe aza adika vilana ny lalàmpanorenana. Nanitrikitrika ny tenany, fa ny MAPAR no maro an’isa ka ireo no tokony hanolotra ny anaran’ny praiminisitra. Manaraka izay ny TIM, ka mendrika ny hahazo praiminisitra lefitra ohatra, raha ny fanazavany. Manizingizina ny depioten’ny fanovana fa izy ireo no hanendry ny praiminisitra, ary izy ireo tamin’ny alalan’ny fitoriany ny filoha rahateo no antony naharava ny governemanta, fa tsy ireo depiote ambara fa nanao kolikoly. Mandeha ny adihevitra saingy mety hiainga eny an-kianja ihany koa ny fananganana ny governemanta, ka raha miziriziry eo ny mpitondra ankehitriny dia tombanana hiainga eny an-dalambe ny fanendrena ireo minisitra, ary haterina tsirairay isaky ny minisitera. Eo iny fitoriana iny, fa hihamafy hatrany ny tolona araka ny toromariky ny mpitarika omaly, ka ho an’ny anio dia hisy ny fandehanana amina toerana iray, saingy tsy mbola nambara mazava izany. Tonga maro hatrany ny sendika, toy ny mpampianatra mpanabe, ny mponina ivelan’ny renivohitra toy ny avy eny Ivato.


 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT