Politique

Tolo-tanana ho an’ny traboina Tsy nitazam-potsiny ireo depiote


  • Talata 03 Martsa 2015

Amin’ny andro mahaory no ahafantarana ny tena namana. Manamarina io oha-pitenenana io ireo solombavambahoakan’i Madagasikara eny Tsimbazaza. Mba ho fanomezan-tanana ireo mpiray tanindrazana traboina noho ny fiakaran’ny rano dia hanao hetsika etsy amin’ny lapan’ny antenimieram-panjakana eny

 

 Tsimbazaza ireto olom-boafidy Malagasy ireo hamory izay voatsirambin’ny tanana hanampiana ireo vahoaka sahirana. Izao fihetsika asehon’ny solombavambahoaka izao dia tsy afenina fa nahamiramiran’endrika ireo vahoaka traboina. Amin’ny andavanandro mantsy dia vaovao mahakasika ny fiadiana tombontsoa  manokana toy ny fitakiana fiara tsy mataho-dalana 4x4 sy tambin-karama samihafa no re matetika eny anivon’ity andrim-panjakana ity  ho sandan’ny fanatontosan’izy ireo ny asany. Amin’izao vanim-potoana sarotra lalovan’ny firenena izao dia tokony hampihatra ny politikan’ny fitsitsiana ny fitondram-panjakana araka ny nambaran’ireo mpanara-baovao. Anisan’ny asian’izy ireo teny amin’izany ny vola lany namatsiana ireny fivoriana tsy ara-potoana nandinihana ny sata manokan’Antananarivo izay notsipahin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana am-bavafo ireny kanefa mbola mitady hikiry ihany ny minisiteran’ny atitany tamin’ny herinandro lasa teo.

Andry  Ratovo  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT