Tratra ny tanjona momba ilay tolo-tanana ho an’ireo traboina sy azon’ny kere any atsimo. Vola mitentina 170 370 650 ariary mantsy no voaangona nandritra ny andron’ny sabotsy teo iny tetsy Anosy. Ankoatra ireo dia nisy ihany koa ny nanome fitaovana sy sakafo mivaingana
. ka vary 650 160,35 taonina no azo nandritra iny fotoana iny, teo ihany koa ny menaka 1 711 litatra sy siramamy milanja 1 192 taonina. Nisy ihany koa ireo nanatitra lamba fitafy sy firakotra izay mitotaly 100 gony eo ho eo. Nilaza moa ny sekretera mpanatanteraka eo anivon’ny BNGRC Atoa Lomotsy Ludovic Christian fa avy hatrany dia hozaraina ireo fanomezana ary mangarahara tanteraka izany. Aterina avy hatrany ny akaikikaiky ary halefa amin’ny fiaraben’ny Bngrc ny alavitra. Tsy mitovy kosa anefa ireo fanomezana ho an’ny faritra tsirairay fa arakaraky ny fahavoazana no hanolorana azy. Tena mariky ny fampihavanam-pirenena no hita teto amin’ny tranombokim-pirenena, hoy kosa ny minisitry atitany Mahafaly Solonandrasana fa namaly ny antson’ny praiminisitra sy ny governemanta daholo ny Malagasy maro tsy an-kanavaka na kely na lehibe, na saranga inona na saranga inona, na olon-tsotra na mpanao politika toy ny ankolafy Ravalomanana …
Tojo/Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.