Politique

Toliara renivohitra Ny kolonely Joronia Rekany no kandidan’ny AREMA


  • Alatsinainy 18 Mey 2015

Ny kolonely Joronia Rekany no kandida ben’ny tanŕna natolotry ny antoko AREMA ao Toliara renivohitra. Tsiahivina fa ity kandida natolotry ny AREMA ity dia efa mpanolotsaim-paritany (lany sy nahazo vato 100% ny taona 2001).

 « Raiamandreny aho, ary tsy manam-pahavalo afa tsy ny fahantrana. Ny famerenana ny fanarahan-dalàna sy filaminana fototry ny fampandrosoana no nanosika ahy hilatsaka ho ben’ny tanàna, satria latsaka an-katerena loatra ny tanànan’i Toliara », hoy ny kly Joronia Rekany, nitafa tamin’ny mpanao gazety, ny sabotsy antoandro teo, tany Toliara.

Mila mandray andraikitra ny miaramila

« Adidiko ny manarina ny tanindrazako, ka hitsangana aho hanome ohatra ireo zandry tanora zanaka ny tokony handraisana andraikitra amin’ny fanarenam-pirenena, fa tsy hiraviravy tanana », hoy  ity manamboninahitra ambony nisotro ronono ity. Raha ny nambarany dia teknisianina manana traikefa no iray lisitra aminy, ary misy tanora vonona hiasa hatrany. Roa amin’ireo kandida fito hirotsaka ho ben’ny tanàna ao Toliara I no manamboninahitra miaramila, dia ny jly Camille Vital (Hiaraka Isika) sy kly Joronia Rekany (AREMA) izay anisan’ny kandida hatahoran’ny maro noho ny asa vitan’izy ireo tao Toliara.

Eric R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT