Hifarana anio zoma amin’ny dimy ora ny farafisoratana anarana ho an’ireo kandida hirotsaka hofidiana Ben’ny tanŕna sy mpanolotsaina eo anivon’ny Kaominina.
Aorian’io ora io, tsy mandray antontan-taratasy intsony ny tompon’andraikitra, raha ny fanazavana voaray. Hatramin’ny omaly hariva, kandida telo monja no nanatitra dosie tao amin’ny OVEC Toliara I, dia ny avy ao amin’ny HVM (Behaja izay kandidan’ny Hiaraka Isika tamin’ny fifidianana depiote), ny avy amin’ny antoko MTS (Ramose Jean Pierre) ary ny kandida tsy miankina natolotry ny TOMIRA (Dédé Vita Sidison). Ity farany, kandida natolotry ny HVM nefa nodakana am-bavafo tamin'ny ora farany noho ny kilalao politika maloton'ny antokon' ny fitondrana.
Ramose Jean Pierre, kandidàn’ny MTS
Ho an’ny kandida MTS Ramose Jean Pierre, vahoaka an’arivony no tonga nanotrona azy, omaly antoandro, nandritra ny fanaterany ireo an-tontan-taratasy filatsan-kofidina teo anivon’ny birao manokana fanamarinana ny ho fametrahana ny filatsahan-kofidiana Toliara renivohitra. Marihina fa Ramose Jean Pierre no lany tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna tao amin’ny Kaominina ambonivohitry Toliara ny taona 2007, nefa natsimbadika ny vokatra avy eo. Tsy nahakivy azy izany fa nilatsaka indray ny tenany amin’ity indray mitoraka ity, hanohy ny asa efa vitany hatramin’izay, amin’ny fanasoavana vahoaka. «Ramose Jean Pierre sur le point de retour. Vonona handray andraikitra hanasoa ny kaominina Toliara I latsaka an-katerena aho », hoy ity kandidan’ny Madagasikara Tonga Saina ity, nitafa tamin’ny mpanao gazety.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.