Politique

Toliara,10 andro mialoha ny fetim-pirenena Mbola vitsy ny tokantrano manangan-tsaina


  • Talata 16 Jona 2015

10 andro alohan’ny fankalazana fetim-pirenena izao, dia mbola vitsy ireo tokantrano ao Toliara manangan-tsaina, kanefa taloha raha vao migadona ny volana jona isan-taona dia nanomboka hita nikopakopaka teny amin’ny tokantrano maro ny sainam-pirenena. Raha tsiahivina dia ny 8 jona lasa teo ny fanombohana ny fametrahana ny sainam-pirenena isan-tokantrano

 

          

 Lalim-paka ny fahantrana

Antony maro no mety mahatonga ny ankamaroan’ny olona tsy marisika amin’ny fanomezan-danja ny 26 jona, indrindra tato anatin’ny roa taona farany nifanesy. Ao, ohatra ny fahasahiranana sy ny tsy fananam-bola ka tsy ahafahana mividy saim-pirenena fa ny harapaka no laharam-pahamehana, ny tsy fahampian’ny fanentanana ny vahoaka mahakasika ny fananganana ny sainam-pirenena sy ny maha zava-dehibe an’izany amin’izao fetim-pirenena izao.

 Arendrina, kilalao, tsy misy mpividy

 Anisan’ny hitarafana ny fandraisan’anjaran’ny vahoaka amin’ny fiainam-pirenena ihany koa ny fahitana fa vitsy ny manangan-tsaina mandritra ny fanamarihana ny fetim-pirenena. Raha ny fanazavana nataon’ireo mpivarotra dia tsy mandeha ny tsena ary vitsy ireo mpividy ka zara raha mahalafo saina iray ao anatin’ny iray andro nanomboka tamin’ny fiandohan’ity volana ity. Torak’izany ihany koa ny tsenan’ny arendrina, indrindra ny vita gasy, sy ny kilalao maro samihafa amin’izao iray volan’ny ankizy izao.


 Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT