Nanazava ny zava-misy eo amin'ny tontolon'ny fampianarana sy ny fanabeazana misy any amin'iny faritra Anosy ireo mpanabe sy ireo ray aman-drenin'ny mpianatra. Nilaza ireto olona ireto fa raha tiana hihatsara ny fanabeazana dia ny fanovana ireo tomponandraikitra no anisan'ny vahaolana amin'izany.
Mila fanavaozana ny fomba fiasa sy fitantanana. Antony maro no ahafahana milaza izany. Ny tanin'ny sekoly tsy misy fanaraha-maso fa izay te haka maka, ireo mpampianatra marobe manao tsidi-pahitra tazanim-potsiny, ny fanomezana ny tambin-karaman'ireo mpampianatra FRAM arahina filafila sy fampijaliana, ny fandraisana « suppléants », anjakan'ny kiatranoantrano. Efa tokony hisotro ronono ilay tale saingy mbola misahana andraikitry ny tale hatrany. Tsy mahagaga raha ny fanararaotam-pahefana no mahazo sehatra. Nahavelom-bolo ireo mpanabe ny hetsika nataon'ny minisiteran'ny fanabeazana amin'ny ho fandraisana DREN vaovao. Mba ho olona manam-piniavana marina hampandroso ny fanabeazana amin'ny ankapobeny. Mahafantatra ihany koa ny zava-misy eo anivon'ny faritra iasany nanendrena azy. Maniry ireto ray aman-dreny ireto mba tsy hijanona eo amin'ny fanendrena tale fa hiitatra eny anivon'ny cisco. Maniry ny hisian'izany ireo tetikasa miara-miasa amin'ny sampandraharaha misahana ny fanabeazam-pirenena any an-toerana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.