Politique

Tolagnaro Mifaninana ny TIM sy ny HVM


  • Talata 06 Janoary 2015

Ny HVM mametraka ny ratsamangaikany, ny TIM manamafy orina ny firaisankinany. Mitety ireo Kaominina miisa 27 mandrafitra ny Distrikan'i Tolagnaro amin’izao ny Birao vonjimaikan'ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) tarihin’i Anick Miza Voahirana.

 Ny alahady teo dia nidina tany amin'ny tapany avaratry ny Distrika iny izy ireo niainga tao Ampasimena ary nitohy tany Soavary sy Manantenina... ka ankoatra ny fametrahana ny rantsamangaikan’ny antoko dia manomboka mitily ireo izay ho kandidan’ny HVM amin'ny fifidianana Ben'ny tanàna hatao amin’ny 17 jolay 2015 izy ireo. Etsy andanin'izany, ireo mpikambana ao amin'ny Tiako I Madagasikara (TIM) kosa manamafy ny fiarahany hatramin'izay. Manetsika ireo ekipany mbola matoritory ary manaitra ireo mpikambana efa mangatsiaka. Manamafy ny TIM any Taolagnaro fa tokana dia izay tarihin'i Mosa Tahiry, Senatera teo aloha, sy Mahazovelo Raymond ary manohana hatrany ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nirary soa ho an'ny filoha mivady mpanorina ny antoko sy ny fianakaviany ireto zanak'i Dada ireto, ny sabotsy teo, tao amin'ny Foiben-toerany ao Bazaribe.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT