Tonga eto Iarivo indray Atoa Rasamizafy Simon nitondra hafatra manokana avy amin’ny Tokobetelo sy ny vahoakan’i Toliara nampitainy tamin’Atoa Sazalahy Tsianihy solontenan’ny mpitolona avy any amin’ny Faritanin’i Toliara manotrona tsy tapaka ny tolona tarihan’ny depioten’ny fanovana etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey hatreto.
Ny hafatra nalefan’ny Tokobetelo sy ny vahoakan’i Toliara ary, araka ny tatitra nentin-dRasamizafy Simon dia ny hoe : “Tsy eken-dry zareo ny hanaovana fifidianana amboletra sy lalàm-pifidianana Tian-kano tsy tian-kano toy ny nandrafetan’ny mpitondra HVM amoron-tevana ny “code electorale” nambolena krizy sy namonona olona tamin’ny 21 aprily 2018. Nanambara ny filohan’ny senat, Rivo Rakotovao, fa tsy maintsy hatao amin’ity 2018 ity ny fifidianana izay ho filoham-pirenena Malagasy manaraka. Aoka hametra-pialana Rajao sy ny forongony, hoy ny Tokobetelo sy ny vahoakan’ny Faritanin’i Toliara ary tokony hametra-pialana koa ny tenanao Atoa Rivo Rakotovao vao izay no ho tanteraka ny “tsy maintsy” voalazanao. Raha tena vonona ianareo HVM dia lalana mahitsy sy malaky hahatongavana amin’ny “tsy maintsy” io fialan-dRajao io. Niezaka ny Ceni nanome fe-potoana hatramin’ny 31 mey 2018 ny mpitondra amoron-tevana tarihan-dRajao raha tiana hisy ny fifidianana amin’ity 2018 ity. Ny mpanao politika, ny olobe, ny herivelona rehetra tena mangetaheta ny hisian’ny fifidianana amin’ity 2018 ity fa ianareo HVM no fototry ny olana, manao ny tsy fanao fa mamorona “code electorale” tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana. Efa maika hanala anareo amin’ny alalan’ny fifidianana ny vahoaka fa ianareo mihitsy no tsy te hanao fifidianana amin’ity taona ity fa mihatsaravelatsihy fotsiny amin’ny fiteny arodarodao na valamaty. Fa misaotra ny HCC ihany aloha nanafoana ny “articles” maromaro tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenena . Misy lamina sy fandaminana tsy maintsy ataon’ny olon-kendry sy manam-panahy ary ny olobe ahafahana manatanteraka ny fifidianana. Tsy azo ekena fa mamoafady ny manao amboletra mamoaka didy fampiharana ny “code electorale” izay tsy mbola nandalo imason’ny solombavambahoaka ny fomba hanetsehana azy. Fa ny maika indrindra dia ny fialan-dRajao sy ny forongony fa mpanao kolikoly maty an-tane”.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.