Aza terena hiditra amin’ny tsy fanarahan-dalàna ry HCC ny vahoaka mitolona amin’ny fanovana ety amin’ny kianjan’ny 13 mey, hoy i Riribe na Rakotomalala Henri filohan’ny Zatovo.
Mitodika any aminareo ny mason’ny vahoaka manerana an’i Madagasikara, indrindra ny eto amin’ny kianjan’ny 13 mey, hoy izy. Aoka tsy hiverina intsony ny didy navoakanareo tamin’ny taona 2015 namoahana an’ilay « pacte de résponsabilité » nalaza iny. Tompon’andraikitra feno amin’izao zava-misy eto amin’ny firenena izao ianareo Hcc, hoy ihany ity mpanao politika ity, ka tsy ekena intsony ny fiandanianareo amin-dRajao. Aoka ianareo hobaikon’ny feon’ny fieritreretana sy ny lalàna manan-kery fa tsy hobaikon’ny vola amam-boninahitra ka hijery marina ny tombontsoam-bahoaka Malagasy izay mitaky fanovana amin’izao.
Miantso ny vahoakan’i Toamasina i Riribe sy ny vahoaka eto amin’ny 13 mey mba handray anjara mavitrika amin’izay hampandeha ny tolona tarihan’ny depioten’ny fanovana 73 fa efa nandresy tany amin’ny “Conseil d’Etat”isika. I Toamasina dia efa natao fitaovana hampanankarena olom-bitsy tamin’ity fitondrana ity, hoy i Riribe, toa an-dry Mbola Rajaonah, Herisoa, Roland Ratsiraka, Ndahimananjara Johanita, Narison Fidimanana, Berthin SMMC …
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.