Mitohy amin’izao taona 2019 izao ny tarazan’ny 2018, raha ny politika sy ny raharaham-pirenena no zohiana.
Ho mafimafy ity taona ity raha dinihina amin’ny zava-misy satria vao miandoha io ny taona, dia efa mandeha ny fitakiana politika no lalao maloto tamin’ny fifidianana. Mametra-panontaniana ny rehetra hoe: inona no hafitsoky ny HCC amin’ny valim-pifidianana? Ho sahy hanafoana ny fifidianana na hanintsana kandida iray noho ny hosoka ve? Sa kosa hanara-dia ny CENI izay nibaribary ny petatoko sy endrika fitanilana ka mailaka nanilika ny fahadisoana tany amin’ny resaka tany amin’ny materialy sy mailaka ny nanipy baolina any amin’ny HCC? Mety hisy ihany koa ve ny famoahana didy mifototra amin’ny fampanaovana fifanarahana politika tahaka ny niseho tamin’ny tolon’ny depiote 71? Miandry ny rehetra, fa raha ny làlana holalovan’ny firenena amin’ny resaka fifidianana aloha, dia vao santatra ambarano ihany ny fifidianana filoha. Ho avy ny an’ny solombavambahoaka sy ny ben’ny tanàna. Aty amin’ny filoha anefa isika izao, dia efa mikatso satria ny andaniny nihevi-tena fa hahomby sy tsy ho tratra ny hosoka ka handeha ho azy ny zava-drahetra avy eo, ary hotohizana any amin’ny fifidianana manaraka ny fomba fanao mamohehitra. Ny ankilany kosa tsy manaiky lembenana eo anatrehan’izany fa hijoro hatramin’ny farany hampanjaka ny fahamarinana sy handavo ny halatra sy ny hosoka ary ny kolikoly. Haharitra hafiriana ny fifandroritana raha tsy arakaraka ny heverin’ny andaniny sy ny ankilany no hiseho eo? Mety hisy fiandraikany amin’ny fiainam-pirenena na ara-tsosialy, na ara-toekarena,… ny raharaha raha tsy misy ny vahaolana mafonja.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.