Politique

Toe-draharaha politika Tsy maintsy horavana ny governemanta…


  • Alarobia 09 Mey 2018

Lalana iray mety hampitony kely ny toe-draharaha politika amin’izao fotoana izao ny fandravana ny governemanta.

 

 Mahagaga kosa anefa ny mbola fizirizirian’ny filoha tsy sahy nandray fanapahan-kevitra na efa ho roatokombolana aza ny nisian’ny tolona mitaky ny fametraham-pialany, ny fandravana ny governemanta,… izay narahina fitoriana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Mety efa manana fanantenana fa ho tsara aron’ny HCC, toy ny tamin’ny taona 2015 nisian’ny fampanaovana fifanarahan’andraikitra na “Pacte de Responsabilité” indray angamba. Efa nahazo lesona tamin’ny zava-nisy tamin’izany fotoana ny depiote izay tohanan’ny vahoaka ankehitriny, ka mety vao mainka hampahery vaika hatrany ny fitakiam-bahoaka ny mety hisian’izany. Raha hiroso amin’ny fandravana governemanta ny filoha, dia mazava ho azy fa handao ny toerany i Mahafaly Solonandrasana Olivier, izay tsiahivina hatrany fa notakian’ny depioten’ny fanovana ny hanaovana fanadihadiana azy momba ny resaka kolikoly niraisana tamin’i Claudine Razaimamonjy. Raha ho avy ary izay fandravana governemanta izay dia inona no hitranga aoriany ? Tsy maintsy hampifanarahana amin’ny toe-draharaha politika amin’izao aloha io raha ny lojika hoe : tsy governemanta hiady ho an’ny kandidam-panjakana hanao kajikajy maloto amin’ny fifidianana, toy ny fandrafetana iny lalàm-pifidianana notsipahin’ny HCC iny. Ny resaka fanoloana praiminisitra indray dia mazava ny voafaritry ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana hoe miainga amin’ny tolo-kevitry ny vondrona parlemantera maro an’isa eny amin’ny antenimiera ny anarana. Governemanta teknika tsy mitanila sy hanomana fifidianana no tokony hijoro eo satria izay resaka fitanilana sy tsy ny tsy fahatokisana azy izay intsony no hitakiana ny fandravana ny ankehitriny. Na ho ela na ho haingana dia karazan’ny làlana tsy maintsy hizorana izany mba hisian’ny fifampatokisana ao anatin’ny fanatanterahana ny fifidianana, ary indrindra ny fisorohana ny fampiasana ny fahefam-panjakana amin’ny fifidianana, raha tiana hadio sy hangaraharaha tokoa io. Iza avy izany no mety hiditra na hampidirina ao ? Mety ho avy amin’ny tolon’ny 13 mey ve ohatra no hapetraka ho praiminisitra ? Ny tena zava-dehibe handrasana aloha izao dia ny famoahan’ny HCC ny valiny momba ny fangatahana ny fialan’ny filoha sy ny fanadihadiana ny praiminisitra, ka io no hamaritra ny tohin’ny tantara indray.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT