Politique

Toe-draharaha politika Hanao «Sit-in» eny Ambohidahy ireo depiote ?


  • Talata 09 Jona 2015

Mivoatra haingana ny toe-draharaha politika eto Madagasikara mandra-piandry ny didim-pitsarana havoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalŕmpanorenana na ny HCC

 

. Raha miezaka manao ny fandaminana amin’izay fomba heveriny fa mety ny fanjakana amerikanina amin’ny alalan’ny masoivohony miasa eto amintsika dia manao ny ataony ihany koa ny mpisehatra politika mpifanandrina. Raha ny antso amin’ny fifanatonana no nahoraka ny herinandro lasa teo dia mivadika indray ny toe-draharaha ankehitriny fa mikasa ny hanao «Sit-in» etsy Ambohidahy etsy amin’ny biraon’ny HCC ny ampahany amin’ireo Solombavambahoaka nifidy ny fampiatoana ny Filoham-pirenena amin’ny asany. Tsy mbola fantatra hatreto ny tena anton’izao «sit-in» izao. Inoana fa ny fanerena ny HCC hamoaka ny fanapahan-keviny. Ambonin’izay dia fantatra fa mety hapetraka anio ihany koa ny fangatahana ny fampiatoana ny praiminisitra amin’ny asany na ny «motion de censure». Raha ny zava-mitranga izany no dinihina dia toa tsy ho vonona amin’izany fifampiresahana amin’ny Filoham-pirenena izany intsony ireo Solombavambahoaka mitaky ny fialany ary manamafy izany ny fanambaran’ny Solombavambahoaka Naivo Raholdina izay nanambara fa aleo miandry ny fanapahan-kevitry ny HCC. Etsy an-kilany, lazaina hatrany fa miaro ny fanjakana tan-dalàna ny Foloalindahy dia mandeha be ny feo fa misy andiana miaramila izay tsy dia mitovy hevitra amin’ireo izay ao anaty fitondrana mivoy izany fiarovana ny fanjakana misy izany intsony.


Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT