Miitatra ny disadisa ao Toamasina. Miampy indray ny olona lasibatry ny herisetra tafahoatra ataon’ny zandary. Ankoatra ilay tranga nahafatesan’i Mamisoa, filohan’ny ligin’ny tsipy kanetibe Atsinanana, noho ny daroka nataon’ny zandarin’ny GSIS
azy ny alin’ny zoma nifoha ny sabotsy teo tao Tanambao II, dia nisy tranga iray hafa koa niseho tao Morafeno. Polisy miasa eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina no lasibatra teto, amin’ny andro amin’ny telo latsaka fahatelony maraina. Nanao fanamiana sivily izy tamin’io. Nametraka moto teo anoloana toeram-pisotroana mbola nivoha izy, no niharan’ny toto vody basy tsy nisy alaharo nataon’ireto zandary niaraka tamin’ny fiaran’ny Emmo-Securité. Mahalala tsara ity polisy ity anefa ny telo tamin’ireo zandary tao anatin’ilay fiaran’ny Emmo-Securité. Tsy ity trano fisotroana ity irery anefa no nisokatra tamin’io fotoana io, fa ireo trano fisotroana manodidina rehetra ary samy ahitana moto maromaro mijanona avokoa. Noho ny andro fety rahateo dia nisy fahazoan-dalana manokana nomena ireo trano fisotroana rehetra ny hahafahany misokatra aorian’ny amin’ny 9 ora alina nanomboka ny 20 desambra 2014 hatramin’ny 04 janoary 2015. Noho ny fahavoazana nahazo ity polisy ity izay voatoto vody basy in-3 teo amin’ny kibony, izay voamarin’ny mpitsabo nanao fizahana azy, dia hametraka fitoriana eny amin’ny Fitsarana ny fianakaviany, satria taorian’izao fananganan-tsandry izao dia re fa iharan’ny fandrahonana ho faty koa izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.