Politique

TIM Vinaninkarena Nanamboatra lalana ho fanampiana ny vahoaka


  • Alarobia 08 Jolay 2015

Manaporofo ny fanatonana vahoaka hatrany ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) ao Vinaninkarena, Distrikan’Antsirabe faharoa. Natomboka omaly talata 07 jolay ny asa tanamaro fanamboaran-dalana hanampiana ireo mponina any an-toerana, ka lalana mampifandray Fokontany roa no namboarina tamin’izany.

 

 

Tonga tany an-toerana nanokatra ny fanombohan’ny asa moa ny Depiote Randrianantenaina José, notronin-dRasitefanoelina Guy Alain kandidà natolotry ny antoko TIM any an-toerana. Nambaran’ity farany fa ho fanampiana ireo mponina mpamokatra avy ao an-toerana no tanjona voalohany satria na ny sarety aza efa tena mijaly, eo koa ny fanohanana ireo mponina marefo ara-pivelomana amin’ny fanomezana asa azy ireo. Nohamafisiny fa efa tarigetran’ny antoko TIM ny fanampiana ny tatsaha amin’ny fanamboaran-dalana satria efa nisy ihany ny asa nataon’izy ireo tamin’ny izy mbola Ben’ny tanàna ka mbola izao tohizana izao indray. Nohamafisin’ny solombavambahoaka Randrianantenaina José moa fa efa misy ny fitaovana vaventy ho an’ny antoko TIM ahafahana manamboatra lalana, izay fanampiana nomen’ny filoha Ravalomanana saingy nisafidy ny asa tanamaro izy ireo mba ho fanampiana ny ativilanin’ny olona mivantana, ka izay no nampiasana ireo Fokonolona miandahy miambavy ireo. Havanana amin’izay fanamboaran-dalana izay rahateo ny TIM ka dia efa atomboka sahady izany izao.

 

Caïus Raharison

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT