Politique

TIM Tolagnaro Mitaky ny hamerenana ny Filoha Ravalomana ao Faravohitra


  • Alatsinainy 24 Novambra 2014

«Avereno ao amin’ny trano fonenany ao Faravohitra ny Filoha Ravalomanana. Aza asiana kajikajy politika ny fampihavanam-pirenena.

Mankahery ny FFKM hanohy ny dingana efa natomboka”. Nivoitra ireo nivoitra nandritra ny fivorian’ny Tiako i Madagasikara tany Tolagnaro ny sabotsy teo. Nambaran’ireto mpikambana ireto fa tsy vahaolana hiverenan’ny filaminana ny fitazonana ny filoha Ravalomanana Marc sy Jean Marc Koumba sy ireo mpiasan’ny ACM efa iray volana mahery any Antsiranana. Lalana mitarika amin’ny fampihavanam-pirenena, hoy izy ireo ny famerenana ny filoha Ravalomanana ao an-trano fonenany ao Faravohitra, ny hamotsorana tsy misy fepetra an’i Jean Marc Koumba sy ireo mpiasan’ny ACM any amin’ny fianakaviany avy. Samy tomponandraikitra amin’izao zava-misy iainan’ny Malagasy izao izy filoha dimy lahy, tsy misy afa-bela ka avelao hiasa malalaka ny FFKM hoy ireto mpikambana Tiako I Madagasikara ireto. Nitarika ny fotoana ny senatera sady CST teo aloha, Mosa Tahiry sy Mahazovelo Raymond filohan’ny Tiako I Madagasikara any an-toerana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT