Ny sabotsy tolakandro teo no nanao ny fihaonambeny ny DIS-TIM Toamasina nentina nanambaran’ireto farany ny kandida halatsaka ho ben’ny tanŕna, izay andrasana valin-teny avy amin’ny foiben’ny antoko eto Antananarivo.
Nandritra izany dia Dr Rakotomanana Gervais no natolotr’ireo mpikatroka TIM ao Toamasina I ireto ho kandida ben’ny tanàna, hifaninana amin’ireo kandida avy amin’ny antoko sy fikambanana hafa, tahaka ny MAPAR manana an’ingahy Dinh-Van Ricky Pagny, HVM mbola eo am-pitadiavana sy am-pandresena lahatra ny olona nofidiany, Atoa Belahy Paul sa Rtoa Marcelle Ratsiraka ho an’ny MTS…ary Rtoa Claudine Tsé fikambanana tsy miankina. Voalazan’ireto mpikatroka TIM ao Toamasina ireto, fa Dr Rakotomanana Gervais ihany no afaka tena hifaninana amin’ireo kandida hafa ireo, ary “tsy mila manao fahadisoana raha te hametraka fitondrana matanjaka sy hanohy ny lalantsika amin’ny taona 2018”. An-kilan’izay, dia ben’ny tanàna voafidim-bahoaka ara-dalàna i Dr Rakotomanana Gervais ny taona 2007. Miandry ny fanapahan’ny foiben’ny antoko TIM eto Antananarivo izany ny safidin’ny mpikatroka ny antoko ao Toamasina ity.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.