Politique

TIM Talatamaty Nitrotro am-bavaka ny tanindrazana


  • Alatsinainy 15 Jona 2015

Natokan’ny antoko Tiako I Madagasikara Talatamaty ho fitrotroana am-bavaka hoan’ny tanindrazana ny andron’ny sabotsy 13 jona 2015 teo tao amin’ny «Espace La Gaiété» Amborompotsy

 


 . Fotoana ihany koa io nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny kandida ben’ny tanàna Rajaonah Herivonjy sy ireo mpanolontsaina mpiray lisitra aminy hitondra ny fanevan’ny antoko TIM amin’ny fifidianana kaominaly hotanterahana ny 31 jolay 2015. Tsy mora ny nahitana ireto kandida TIM tao amin’ny kaominina ambanivohitra Talatamaty ireto saingy nivoaka avy amin’ny safidin’ireo mpikambana ifotony izy ireo, araka ny nambaran’ny solombavambahoakan’i Madagasikara lany tao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo izay nisolotena ny birao politika nasionaly Rabenirina Maminiaina Solondraibe. Efa mitsangana ihany koa moa ny birao KomTim vaovao ao Talatamaty  izay handray anjara mavitrika amin’ny kongresim-paritra Analamanga hotanterahana ny 4 jolay 2015 izao eto Antananarivo.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT