Tsy misy tapaka na iza na iza hatao praiminisitra, hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey omaly.
Ianareo no mahafantatra voalohany rehefa mivoaka izany, hoy izy nanome toky ny vahoaka fa tsy hatao tompon-trano mihono. Mbola eo am-piresahana izahay, mba hifanarahana ny zavatra rehetra, ary hifamarafarana ny zavatra hatao. Hentitra ny tenany nilaza fa tsy mitombina ny filazana sy ny fanelezana resaka fa tsy miombon-kevitra ny TIM sy ny MAPAR. Tsy mbola vita ny tolona ary fanelezana tsaho ny hoe miady ny TIM sy ny MAPAR. Any amin’ny fifidianana izy ireo vao vonona hifanandrina amin’ny fifaninanana masina, raha ny fanazavana miainga eny an-kianja. Ny seza izay hametrahana ahy dia na eny Tsimbazaza na aiza dia mety daholo fa ny zava-dehibe, dia mitohy ny ady amin’ny kolikoly, ka tsy hafa ny nolazaina teto dia hafa no atao rehefa any amin’izay mety ho toerana, hoy ny kabariny. Mbola adihevitra be, araka izany, izay mety ho praiminisitra eo. Malaza ny anaran’ny depiote Hanitra Razafimanantsoa ho an’ny TIM. Efa nilaza kosa ny depiote Guy Rivo Randrianarisoa tao amin’ny tambajotra fesiboky ho an’ireo mandrisika azy ho amin’io toerana io. « Misaotra betsaka fa tena tsy mazoto amin'izany isika. Izay hahafahako manampy ny filoha Ravalomanana ho lany filoham-pirenena soa aman-tsara indray no tiako. Tsy ny fanaovako praiminisitra no hahafahako manampy azy », hoy izy. Fa misy mihevitra tokoa ve fa ny "toerana" (seza) no mahamay amin'izao tolona atao izao na dia efa mazava be hatrany am-piandohana aza ny tanjona niraisana ? hoy ny fanontaniana napetrany. Ho an’ny MAPAR kosa dia re fa tsara toerana i Christine Razanamahasoa. Re ihany koa ny anaran-dry Tinoka Roberto, Jean Brunelle Razafitsiandraofa. Miaraka amin’i Andry Rajoelina fa tsy ao anaty MAPAR kosa dia re siosio ihany koa ny anaran’i Yvette Sylla. Ho an’ny HVM kosa dia malaza ho tsara toerana i Maharante Jean de Dieu sy Mahazoasy Fréddie ary manamboninahitra iray avy any amin’ny faritra Fianarantsoa. Olona tsy fantatra firy amin’ny politika fa any amin’ny tontolon’ny fandraharahana kosa i Eric Rajaonary, izay re fa mety hotendrena amin’io toerana io ihany koa. Etsy an-daniny, hanangon-tsonia hanoherana ny resaka governemantan’ny marimaritra iraisana, izay mizotra mankany amin’ny ady seza ireo misolotena ny olom-pirenena tsotra ahitana an-dry Françis Turbo. Governemanta ho an’ny fanavotam-pirenena, izay teknika kokoa no tokony hatsangana raha ny hevitr’izy ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.