Tonga nampitovy tadin-dokanga niaraka tamin’ireo mpikambana Tiako i Madagasikara ao amin’ny distrikan’i Moramanga ny filoha nasionalin’ny antoko Razoarimihaja Solofonantenaina ny faran’ny herinandro teo
. Hita ho vonona amin’ny famerenana ny herin’ity antoko noforonin’ny filoha Ravalomanana Marc ity tokoa ireo mpikambana marobe niatrika ity fihaonana sokajiana ho tena manan-danja eo amin’ny tantaran’ny TIM eto Madagasikara. Fotoana ihany koa io nanaovana jery todika ireo dingana maro nolalovan’ny antoko hatramin’ny taona 2001, vanim-potoana nitsanganan’ny Tiako i Madagasikara. Nampahatsiahivin’ny filoha nasionaly ihany koa ireo sedra mafy natrehina hatramin’ny taona 2009 ka namparefo ny fikambanana politika. Lesona maro no azo tsoahina tao anatin’izay dimy taona tsy nahenoana firy ny fikambanana izay nandinihana ny paikady vaovao hanarenana ny tsy nety rehetra. Ankehitriny ary dia tonga ny fotoana hisehoana amin’ny mpiara-belona fa velona sy manana ny heriny eto amin’ny firenena ny antoko Tiako i Madagasikara. Laharam-pahamehana ny fananana fototra tena matanjaka eny ifotony miainga eny anivon’ny Fokontany sy ny Kaominina, araka ny fanazavany. Nampahatsiahiviny ihany koa fa foto-kevitra ho fampandrosoana an’i Madagasikara no nijoroan’ny TIM tao anatin’izay 13 taona izay ary tsy miova izany mandrak’ankehitriny. Niatrika ny fivoriambe moa ny «coach» Alaotra Mangoro, Ramiaranjatovo Marc.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.